Zaza roa voahosin’ny kamiao : Niombom-po ny mponin’Itaosy

Nanao diabe am-pilaminana teny Itaosy, omaly atoandro, ireo mponin’Itaosy. Nameno ny arabe ny loko fotsy nanaovan’ny vahoaka. Natao hiraisana am-po sy fankaherezana ary fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo zaza mianadahy voahitsaky ny kamiao izany.

Nanatanteraka diabe am-pilaminana ny mpo­nin’Itaosy, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy 50 minitra. Natao nifanandrify tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ny fotoana nanaovana ny hetsika. Nameno ny arabe ny fitafiana sy akanjo fotsy izay nanaovan’ny mponina. Nifamotoana teo amin’ny toerana nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana ny vahoaka. Natomboka tamin’ny vavaka ny fotoana. Nitanjozotra nihazo an’i Beravina Itaosy, tao amin’ny trano nitoeran’i Ana­elle, ilay zazavavikely 6 taona namoy ny ainy, ny mponina. Niara-namangy ny tompom-pahoriana taorian’izany.
Hetsika ho firaisam-po sy fankaherezana ary fiaraha-miory amin’ny fianakavian’izy mianadahy namoy ny ainy afakomaly atoandro. Hita taratra teny amin’ny mponina sy ny fianakavian’ny niharam-boina ny hatezerana sy ny alahelo lalina noho iny lozam-pifamoivoizana namoizana aina iny.   Marihina fa efa lasa any Faratsiho, tanindrazany, afakomaly, ny nofo mangatsiakan’ilay zazalahikely antsoina hoe: Rowan (3 taona). Natao haingana ny fandevenana noho ny tena fahasimban’ny razana.

Nitondra fampaharezana
Ankoatra izany, tonga nankahery ny fianakaviana na­moy zanaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nitarika izany ny minisitra Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Etsy ankilany, nanatanteraka fizakana ny adidy tandrify azy koa ny eo anivon’ny minisitera tamin’ny alalan’ny latsakemboka fiantohana ny voina mihatra an-tsekoly na ny Onapascoma.
Tsiahivina fa kamiao mpitondra simenitra tokony ho 20 taonina ity nanitsaka mpandeha an-tongotra teny amin’ny sisin-dalana ity. Teny amin’ny Parc des Princes, Cité Itaosy, afakomaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany atoandro no nisehoan’izany. Vaohitsaky ny kodiarana ny zaza mianadahy, namoy ny ainy avy hatrany. Handeha hianatra izy ireo no tra-doza.
Mbola mitohy ny fanadihadiana izay sahanin’ny zandariamariam-pirenena eny Itaosy. Ao anatin’ny fakana am-bavany ilay mpamily 56 taona, nitondra ny fiara izy ireo, ankehitriny.

Mino

Partager sur: