Nilatsaka ny didy, omaly. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa nesorina tamin’ny toerana ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny Radio sy Televizionina Malagasy (ORTM). Ohatra velona natao ireny hanaporofoana ny tokony sy tsy maintsy hanajana ny rafitra an-tanan-tohatra. Misy ny lalàna mifehy ny asam-panjakana, tsy tokony halatsaka ambany dia ambany mihoatra amin’ny hambom-pon’ny tsirairay izany.
Izy aloha izay no lasa, niaraka amin’ny tale vitsivitsy tao amin’ny minisitera mpiahy. Fa tokony hojerena akaiky ny zava-misy rehetra any anatin’ny departemanta, ny fitaleavana, ny sampandraharaha isan-tsokajiny. Tsy aty amin’ny foibe fa hatreny amin’ny sampana isam-paritra. Tena manahirana ny mifehy ireo mpiasam-panjakana. Hatramin’ny mpamafa trano, mahasahy mandrefy tale, indrindra fa izay vaovao.
Fanavaozana no resaka: mila mijoro sy mahasahy mihitsy rehefa nomena fahefana, hampanjaka ny tany tan-dalàna. Manahirana ny mamonjy biraom-panjakana. Tonga maraina, tsy misy mpandray. Mandalo atoandro, lasa misakafo. Miverina hariva, efa lasa nody fa rahampitso indray miverina. Toy izany hatrany hatrany no iainan’ilay Malagasy tsivakivolo. Hany ka mampitarazoka ny asa. Mampikatso fandrosoana tsotra izao.
Tsy resaka politika ihany no ilana fihenjanana eto Madagasikara. Takiana izay fahasahiana mandray andraikitra amin’ny fampiharana ny fitsipi-pitondrantena sy ny fanajana etika izay. Mila fanovana toe-tsaina goavana izany ao anatin’izao vanim-potoan’ny fanavaozana izao. Tsy atao anatin’ny fikenakenana intsony an-dRamalagasy, tsy maintsy atao anaty “JADONA” raha ilaina. Tsy atao an-terisetra kosa, fa atao amin’ny fenitra tokony ho izy.
Tsy mbola tara raha hanao tahaka ireo firenen-dehibe mbola mitazona izay karazana teritery mahasoa izay. Soa fianatsa! Tsy misy ny sakana rehefa vonona ny fitondram-panjakana.
r.r





