Trophées de l’innovation 2026 de l’IRD : Nahazo ny loka i Valisoaniaretana Larissa

Sangany tamin’ny tetikasa Sebio ny Dr Valisoaniaretana Larissa. Tetikasa mamokatra fitaovana fiarovana ara-pahasalamana mandritra ny fadimbolana amin’ny alalan’ny akora voajanahary avy amin’ny zavamaniry eto an-toerana ny Sebio.

“Hanao zavatra dieny izao ». Io ny lohahevitry ny tetikasa na­hazoan’ny Dr Larissa Valiso­aniaretana, ka nahazoana ny “Trophées de l’innovation 2026 de l’IRD”. Teo anatre­han’ ny mpitsara iraisam-pirenena nivory nandritra ny “Women’s Forum Paris 2026” no nahazoany izany loka izany.
Ny Orange Madagascar no nanohana sy nanampy azy nandritra ity dingana ity, nia­raka tamin’ny Dr Toziny Viva Elianah, izay isan’ireo tafakatra tamin’ny dingana famaranana ihany koa, noho ny tetikasany antsoina hoe Mihary Vondro.
Mikendry ny hamokatra fitaovana fiarovana mandritra ny fadimbolana, vita amin’ny akondro, vondro ary cellulose azo avy amin’ny mangahazo ny tetikasa.
Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo akora voajanahary hita eto Madagasikara, dia mitondra vahaolana mivain­gana amin’ny olana mahakasika ny fahasalamana, ny fahamendrehan’ny vehivavy ary ny fahafahana mahazo fitaovana ilaina amin’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ny Sebio.
Loka mitentina 10 000 euros sy fanohanana sy fampiofanana matihanina amin’ny fanombohana ny tetikasa no azon’ny Dr Larissa Valisoania­retana.
Ho fanohanana azy ireo, dia nanome finday avo lenta, fifandraisana amin’ny ateri­neto ary tolotra Roaming nandritra ny nijanonany tany Paris ny Orange Madagascar.
Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny famatsiam-bola ho an’ny fitiliana teny amin’ ny laboratoara sy ny fanadihadiana ilaina amin’ny fampandrosoana ny fikaro­hana nataon’ izy ireo ihany koa ny orinasa.
Mbola hitohy ny fanoha­nana azy ireo amin’ny alalan’ ny « Maisons Digitales » sy ny « Orange Digital Centers », izay hanomezana fiofanana sy fanampiana amin’ny fanombohana sy fampiharana ireo tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: