Hanao velakevitra eny amin’ny CUA Analakely, ny Komitin’ny fikaonandoham-pirenena kristianina (FPK), anio. Horesahina amin’izany ny volavolan-dalàmpanorenana, ny hasina malagasy, ny vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro, ny anjara toeran’ny Fiangonana amin’ny fampandrosoana.
Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, afakomaly, ny filohan’ny Vaomieran’ny raharaham-bahiny sady depiote frantsay any Haut-Rhin, i Fuchs Bruno. Ho fanatevenana ny fifandraisana sy fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Frantsa ny sosokeviny ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Nanatrika ny dinika ny ambasadaoro frantsay eto Madagasikara, i Grosgurin Jean-Marc.
Ny firosoana amin’ny fanorenana ifotony ihany no lalana hirosoana amin’ny tena fandrosoana, araka ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny DFP, Ratolojanahary Maharavo. Tsy mbola sahy miala amin’ny vahohon’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ny Malagasy. Fiaraha-mitantana no takin’ny mpanao politika.
Zava-dehibe ny fametrahana tetiandro mazava momba ny fifidianana sy ny fanajana izany, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, tamin’ny fametrahana ny rafitra Fokotim teny Avadrano, afakomaly.





