“Tena takina ny hisian’ny fanazavan’ny FFKM bebe kokoa ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Eny, na ny komity teknika eo ambany fiahian’ny Primatiora aza”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, manoloana ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Tsy vitan’ny fampanantenana hoe tsy maintsy atao ny fikaoandoham-pirenena, na efa milamina ny zava-drehetra. Tsy manan-jo hahalala vaovao ve ny vahoaka malagasy ? Mila hazavaina hoe rahoviana marina no hatao izany, iza no hanao azy na handray anjara, aiza no hanaovana azy, hafiriana ny faharetany, inona no hodinihina… ?
“Mihamihena ny hafanam-po amin’izao”, hoy izy. Toy ny hoe ao anatin’ny fitondrana no mila fanavaozana. Tsy omen-danja loatra hoe miainga any ifotony na ny olom-pirenena ny fanavaozana. Matoa nomena ny FFKM ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, fantatra hoe manana traikefa izy. Raha ny fahazoana azy, amin’ity volana novambra ity fanofanan’ny FFKM eny anivon’ny disitrika na ny Faritra. Mampanontany tena izay. Hiditra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika, ary orana hafa no ho avy noho ny trangana toetr’andro manokana “el nino”. Desambra ve izany vao hanomboka ny inona? Tena tsy ampy serasera hahafantarana izany. Lasa miteraka ahiahy ho an’ny olom-pirenena izay, fa mahavery fanahy mbola velona. Noho izany, taitairina ny FFKM. Mendrika ary zo fototry ny olom-pirenena ny hahazo vaovao marina momba ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy ifanilihana an-toerana. Inona marina ny zavatra hisy?
R. Nd.





