Tsotra ny avy amin’ny Komity ho an’ny fanorenana ifotony (Kfim). Nambaran’izy ireo taorian’ny fandalovan’ny iraky ny sehatra iraisam-pirenena, Sadc, fa tokony halamina aloha ny firenena mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. « Tsy maintsy hiafara amin’izany fifidianana izany ihany isika ary mba ho ity ny krizy farany hovahana eto amin’ny firenena. Tsy voatery hiandry hiantehatra mandrakariva amin’ny fanelanelanan’ny vahiny sy ny iraisam-pirenena hatrany isika. Aleo fifampidinihan’ny samy Malagasy an-kitsim-po », hoy ny filoha nasionalin’ny Kfim, Rabevahiny Elia. Notsiahiviny fa efa fanintelony izao ny fihaonan’ireo iraka iraisam-pirenena ireo tamin’ireo vovonana sy antoko na fikambanana politika teto amintsika. Afaka mifanatona sy mifampiresaka hatrany isika mitady vahaolana ary tokony hanokafana sehatra ifandresena lahatra ho an’ny tombontsoam-pirenena izany, araka ny nambaran’ny Kfim hatrany.
Nohamafisiny fa ilaina ny fifampiresahana sy ny fikaonandoham-pirenena mba hisorohana ny mety ho krizy miverimberina eto amin’ny firenena. « Zava-dehibe izany ary tsy mbola tara isika amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa raha nahitana lesoka ilay fihaonana sy dinika natao teny Ivato nandritra ny roa andro farany teo iny », hoy izy. Notsindriany fa tsy maika amin’ny fifidianana ny Kfim mba tsy ho loharanon’ny krizy izany, aoriana ao.
Tsiahivina fa natolotry ny Kfim ireto iraky ny Sadc ireto ny tolokevitra ho amin’ny fikaroham-bahaolana eto amin’ny firenena, ankoatra ny efa nomena ny filoham-panjakana teny Iavoloha ny volana septambra teo.
Synèse R.





