Fitsarana ny Raharaha Ambohimalaza : Minisitra hampanantsoina, hohadihadiana ny zandary

Hitohy amin’ny alatsinainy ny fitsarana ny Raharaha Ambohimalaza. Nisongadina omaly ny fangatahan’ny mpitory ny hihainoana ny minisitry ny Fahasalamana teo aloha sy ny lehiben’ny zandary mpanao famotorana tamin’izany fotoana.

Andro fahatelo omaly, ny fotoam-pitsarana ny Raharaha Ambohima­laza. Tomefy olona hatrany ny lalantsaran’ny tribonaly Ano­sy, hatrany andavarangana nanaraka ny fotoam-pitsarana. Nisongadina ny fangatahana maro nataon’ny mpisolovava. Anisan’izany ny hanaovana fanadihadiana ny dokoteran’ny HJRA sy ny minisitry ny Fahasalamana teo aloha, Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Nangatahin’ny mpitory sy ny mpiaro azy ireo koa ny zandary nanao famotorana. Toraka izany ny “disque dur” mitahiry ny sary rehetra nalain’ilay Camera fanaraha-maso, teny Ambohimalaza.
Efa nisy ny dingana nataon’ny fampanoavana ambony amin’ny fiantsoana azy ireo, izay nambara ampahibemaso. Nangataka ny hijoroan’ny vavolombelona nahita maso ny fampijaliana nahazo an’i Clarisse tany amin’ny zandary ny mpisolovava. Mitaky ny hanaovana fizahana manokana mahakasika ny holatra eo amin’ny tendan’i Fenohasina koa izy ireo.
Honitra 500 tapitrisa
Niompana tamin’ny fihainoana ireo ray aman-dreny nitaky honitra noho ny fahamoizan-janaka ny fotoana. 40 ny isan’izy ireo saingy 20 tamin’ireo no niakatra teo anoloan’ny mpitsara. Samy nanana ny honitra nangatahany ny tsirairay. Nisy ny nangataka 500 tapitrisa Ar, 300 tapitrisa Ar, 100 tapitrisa Ar, sivy tapitrisa Ar, ary efatra tapitrisa Ariary. Nanazavana ny ray aman-dreny na zokin’ny maty fa tsy mahavoasolo ny ain-janany ny vola fa betsaka ny fanarenana tsy maintsy hatao na ara-tsaina, ara-pahasalamana, indrindra ny seha-pihariana. Niray feo ny fianakavian’ny lasibatra sy ny fikambanan’izy ireo izay najoro ara-dalàna fa tsy miala amin’i Fenohasina sy ny mamany izy ireo.

Horontsary naseho
Naseho ampahibemaso ny horontsary mahakasika ny tena fiainan’i Fenohasina. Naseho koa ny ampahany tamin’ny sary voarakitra tao anaty horonantsary tany amin’ny toeram-pilanonana teny Ambohima­laza. Vehivavy iray nitsaingoka tamin’ny sakafo no hita tao anatin’izany. Nanamafy ny tom­pon’ny toerana fa ny vadiny izay namoy ny ainy vokatry ny fihinanana sakafo no voarakitra tao.

Mino

Partager sur: