Hetsika poetika tsy mba zaza. Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny taom-piantsana 2026. Hisy ny « Antsa Malalaka » hotanterahina ao amin’ny Parc botanique Tsimbazaza, ny alahady 6 desambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Fotoana ahafahan’ny rehetra miantsa hifampizarana fahatsiarovana, hifanomezana fahasoavana ho an’ny literatiora. Ho hita eny an-toerana sady handray anjara amin’ny antsa ireo mpanoratra sy mpiantsa efa manana ny maha izy azy, toa an’i Fetra Art’Mi, Ny Iraka Rambolamanana, Miora R., Sahala R., Ny Mpanabe, Arty Kemirah, sns.
Fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Baiboly an-kira ». Rindrankira tanterahina, rahampitso 22 novambra manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hanatanteraka ity seho ity ny Asaff avy ao amin’ny FJKM Miarinarivo Itasy. Hanotrona an-dry zareo kosa ny Quator & Squas Musicians. Nasaina manokana i Landry Zafy sy i Lovatiana. « Fa tsy menatra ny filazantsara aho » (Rom. 1 :16a). Ny lohateny nampisalorana ny seho.
Nahazo ny loka manokana antsoina hoe «Mecenat Beauty world international » i Hendry Tsiky, tovovavy teratany malagasy 23 taona, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena « World Miss University 2026 », notanterahina tany Séoul, Korea Atsimo. Ny solontenan’i Rosia kosa no voahosotra ho mpandresy tamin’ity andiany 2026 ity. Tao anatin’ny hafaliana no nisaoran’i Hendry ny Malagasy rehetra tamin’ny fanohanana azy.





