Nomarihina ny 21 septambra teo ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer. Anisan’ny nankalazana izany i Madagasikara. Mbola maro ny olona tsy mahafantatra io aretina io eto amin’ny Nosy, raha ny fanazavana voaray.
“Aretina mpahazo ny sela any amin’ny atidoha ny (démence) izay mampihena ny fiasan’io taova io, anisan’izany ny aretina Alzheimer”, hoy ny Dr Raharison, neurologue, raha nanontaniana nandritra ny hetsika fitiliana ny aretina tetsy Mahazoarivo, ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa miantomboka amin’ny olan’ny fitadidiana ny aretina ary misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny atidoha hafa izany rehefa any aoriana. Mitarika any amin’ny fahaverezan’ny fitadidiana tsikelikely ary mitondra mankany amin’ny fahasimban’ny fahaizan’ny saina mieritreritra ary mety hahafaty mihitsy izany. Tsy maintsy fantarina ny aretina mahazo ilay olona mba hialana amin’ny fifandisoan’ny valin’ny fizahana. Azo atao tsara ny mitsabo ny aretina raha toa ka tsy Alzheimer ny mahazo ilay olona. Azo atao kosa ny mampidina ny tahan’ny fivoaran’ny aretina amin’ny alalan’ny fampiasana ny atidoha sy fahazarana mba hahafan’ny saina mitadidy ny fanao isan’andro.
Betsaka tratran’io aretina io ny olona efa mahazo taona, indrindra ireo maherin’ny 60 taona. Efa maro ihany koa anefa ny tratran’ny aretina na dia mbola tanora aza, manodidina ny 40 taona eo. Betsaka kokoa ny vehivavy tratra raha oharina amin’ny lehilahy. “Maro ny andraikitra sahanin’ny vehivavy eto amin’ny firenena sy eo anivon’ny tokantrano, misy fijanonana tampoka ihany koa eo amin’ny asa aman-draharaha atao, fotoan’ny fisotroan-dronono, ka anisan’ny antony heverina ho mahatonga izany”, hoy Rason – Andriamaro Muriel, filoha lefitry ny fikambanana Madagasca Alzheimer Masoandro Mody. Nambarany fa tokony homanina ny fitsaharana amin’ny asa mba tsy ho tampoka loatra eo amin’ny saina. Nohamafisin’ny mpitsabo fa Alzheimer manokana no mahazo azy ireo. Misy fiantraikany eo amin’ny sela ao amin’ny atidoha izany. Ireo olona tsy mampiasa vatana sy mipetraka lava ary tsy manao afa-tsy ny asa ara-tsaina no tena voan’ny aretina Alzheimer, araka ny fandinihana natao, hoy hatrany ny mpitsabo nanontaniana. Maro ny antony mahatonga ny aretina. “Reraka noho ny fiasan-tsaina sy ny rindra tsy milamina eo amin’ny fiainana andavanandro ny atidoha ny tena antony mahazatra mahatonga ny aretina”, hoy hatrany ny mpitsabo. Nohamafisin’ny mpitsabo hatrany fa olana iray eo amin’ny marary na ny fiainakavian’ny marary ny halafon’ny fanafody. Tsy sitrana tanteraka ihany koa anefa ny olona voan’ity aretina ity. Ny fiezahana mikolokolo ny saina sy fampiarahana izany amin’ny fampiasam-batana no fomba entina miady amin’ny aretina.
Miseho amin’ny endrika maro ny aretina
Very tadidy ny tena ahafantaran’ny maro ny aretina Alzheimer amin’ny ankapobeny. “Tsy ny olona rehetra very tadidy anefa no voan’ny aretina fa mbola mandalo dingana maro ny fahafantarana azy, izay andraikitray ny manoro sy mampahafantatra izany amin’ny olona”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny fikambanana Madagasca Alzheimer Masoandro Mody. Maro ny fambara mety ahafantarana ny fisehon’ny aretina eo amin’ny olona iray. Ny tsy fahalalana ny fotoana, voan’ny tamberintany, fahaverezan’ny tadidy, fiovan-toetra sy fahazarana, tsy fahafahana maneho hevitra araka ny tokony ho izy, tsy mahavita manatanteraka zavatra mahazatra, sahirana mahatsiaro ny fizotran’ny zavatra atao sy ny maro hafa. Efa ela no tao anatin’ilay olona ny aretina fa nisoko miadana tao anatiny. Aretina iray mahamenatra ny olona ny aretina ary heverin’ny olona fa nisy namosavy na misy devoly ny voan’izany, amin’ny ankapobeny.
Hetsika fitiliana natao tetsy Mahazoarivo
Nikarakara hetsika fitiliana maimaimpoana momba ny fitadidiana sy diabeta, tosidra ary lanja tetsy amin’ny foibeny ny fikambanana Madagasca Alzheimer Masoandro mody Mahazoarivo, ny sabotsy teo. Tanjona ny hanampiana ireo olona hanara-maso ny fahasalamany. Mbola misy fitsaboana azo atao raha toa ka hita mialoha ireo aretina mba tsy hiafara amin’ny aretina hafa. « Anisan’ny singa mandrisika ny fahatongavan’ny aretina alzheimer na toa azy ireo aretina notiliana ireo ka antony nanaovana ny hetsika », hoy Rason-Andriamaro Muriel, filoha lefitry ny fikambanana. Anisan’ny mahatonga ny olana eo amin’ny atidoha ny tosidra avo ka antony nahatonga ny fikambanana mandrisika ny olona hanatona mpitsabo mahakasika ny atidoha sy ny saina. Nohamafisin’ny filoha lefitry ny fikambanana fa manampy betsaka ireo marary ny tantsoroka ara-tsosialy omena ireo olona marary sy ny fiankaviana manana marary. Anisan’ny mampiavaka ny fikambanana ny fandraisana an-tanana ireo olona voan’ny aretina. Mba hahafahan’izy ireo manana fianam-piarahamonina toy ny rehetra.
Fanaovana kilalao ara-tsaina sy fanatanjahantena
Anisan’ny fisorohana tsara sy mandaitra eo amin’ny olona ny fanaovana fanatanjahantena sy fampiasana vatana isan-karazany. Mihena be ny fitrangan’ny aretina eo amin’ny olona rehefa voatsinjara tsara ny zavatra ataon’ny vatana sy saina. Ilaina koa ny fanaovana kilalao ara-tsaina isan-karazany, toy ny fanorona, katro, échec. Manampy izany ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpiara-monina. Nohamafisin’ny mpitsabo fa manampy betsaka eo amin’ny fitadidiana ireo fihetsika maro ireo. Etsy ankilany, zava-dehibe amin’ny fitsinjovana ny hoavin’ny zokiolona ny tsy fametrahana azy ireny ho irery. Anisan’ny manampy betsaka ihany koa ny fialana amin’ny fifohana sigara sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Manampy izany koa ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina. Mety hitarika any amin’ny fiakaran’ny tosidra avo izany ary mety hitarika aretina any amin’ny atidoha.
Nanatontosa : Mino