Fambolena : mbola tsy ampy ny vary eto Madagasikara

Firenena ahitana fambolena vary betsaka eto Madagasikara, raha ny tahirin-kevitra sy fika­rohana maro natao. Amin’ny ankapobeny, miankina amin’ny riandrano ny vokatra miakatra. Mahatratra hatra­min’ny 90 % na manodidina ny 4 914 450 t ny voka-bary eto amin’ny Nosy, saingy mbola tsy ampy ny fanjifana eto an-toerana izany.

Araka ny fikarohana natao, manana ny toerany eo amin’ny toekarem-pirenena ny vary, raha ampitahana amin’ny harin-karena faoben’ny firenena. Anisan’ny hahafantarana ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano, indrindra ny any ambanivohitra, na tsy feno ny singa rehetra tokony hamaritana izany. Manana ny toerany lehibe ny vary, saika amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy. Voly fototra voalohany aty afovoantany rehetra, faritra Alaotra, afovoany Atsinanana, Menabe ary Betsiboka izy io. Faritana ny voly vary araka ny fambolena azy. Miankina amin’ny kaominina ny ahafantarana ny tombontsoa sy ny fatiantoka mety aterak’izany. 50 % mahery ny tany voavoly vary any ambanivohitra saingy tsy manan-danja firy ny vary eo amin’ny lafiny fidiram-bola. Tafiditra ho anisan’ny fidiram-bola voalohany eo amin’ny kaominina ny 45 %. Mitombo ny olona mamboly vary ankehitriny. Tsy ampy anefa ny tarehimarika ara-jeografika momba ny vary eto amintsika.
Nihena ny voka-bary eto Madagasikara tao anatin’ny 10 taona farany. Voaka­sik’izany daholo ny faritra rehetra.Tsy hita loatra ny tena vola miditra raha ny any ambanivohitra. Fantatra fa tena fidiram-bolan’ny tantsaha ny voka-bary (akotry) na nihena aza izany any amin’ny faritra sasany. Mivarotra vary avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa miakatra ny vokatra, raha ny zava-misy hita. Mora kokoa ny vidin’ny vokatra amin’io fotoana io ary mahasarika ny maro hanjifa izany, indrindra ny any am­banivohitra. Ny any amin’ny faritra Sava sy Avaratr’i Toamasina, ireo vokatra fa­nondrana, toy ny lavanila sy jirofo, no tena fidiram-bola. Lafo vidy ireo vokatra ireo any ivelany tao anatin’ny taona vi­tsivitsy izay. Nitombo hatra­min’ny 28 % ireo kaominina nihatsara ny vokatra lavanila ao aminy. Tsy hita kosa ny namaritana ireo karazam-boly hafa.
Mitaky fanatsarana sy fiovana ny fambolena eto an-toerana, toy ny fotodrafitrasa hanatsarana ny fanondrahana tanimboly sy tanimbary. Eo koa ny fampitàna ny karazam-boly, fampitomboana ny voly voankazo sy legioma ary ny fiompiana. Fametrahana any amin’ny faritra ny indostria momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ireo sehatra hafa hampandrosoana ny toekarena, indrindra ny lalana sy ny herinaratra.
Vary 5,8 tapitrisa taonina andrasana
Firenena mpamoka-bary fahatelo aty Afrika i Mada­gasikara, aorian’i Nizeria sy Egypta. Nantenaina hitohy ny fitomboan’ny vokatra tamin’ny 2022/2023 teo. Ny 21 no­vambra 2023 nanomboka ny fiotazana, araka ny voalazan’ny minisitera misahana ny Fambolena sy ny fiompiana. Raha ara-dalàna ny fambo­lena, tojo ny fampitomboana ny voka-bary ho 10,53 % raha oharina tamin’ny fotoam-pambolena farany. Ankoatra izay, nitombo 8 % ny voka-bary teto amin’ny Nosy tamin’ny 2022/2023, raha ny tatitra nataon’ny minisitera. An­drasana amin’ity taom-pambolena 2023/2024 ity ny fitomboan’ny voka-bary 10 %, izay hahatratra 5,8 tapitrisa taonina. Misongadina indrindra amin’izany, ny fotodrafitrasa samihafa, ny tohodrano, fanomezana zezika sy fanofanana ny tantsaha na koa firotsa­han’ny orana tsara amin’ny faritra maro, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany. Amin’ny ankapobeny, azo adika ho fahatsaran’ny tsena teto an-toerana sy nampihena ny vary na­farana avy any ivelany ny vokatra miakatra. Nidina 36,57 % ny vary sy karazana lafaranina avy any ivelany teo anelanelan’ny janoary sy septambra 2023, raha ny tatitra isam-bolana nataon’ny Ob­servatoire du riz (ODR). Ni­janona teo amin’ny 349 409 taonina izany.

Ela vao miova ny tantsaha malagasy

Mitaky fifehezana teknika maro ny fampitomboana ny vokatra, toy ny zezika ampiasana, ny masomboly, ny fifehezana ny rano izay sarotra ho an’ny tantsaha maro. Anisan’ny olana sedrain’ny tantsaha ny faharatsian’ny lalana, ny fahazoana vola hoenti-miasa. Sarotra ho an’ny tantsaha malagasy ny miova amin’ny fomba fanao. Tsy mipaika firy any amin’ny tantsaha ny tena fiovana.Mila hitany mazava ny antony tsy maintsy hiovana any ambanivohitra sy ny teknika miaraka amin’izany. Tsapa mantsy fa entim-pahazarana fotsiny ny tantsaha maro amin’ny fomba fanaony na eo aza ny teknika vaovao.10 na 20 taona vao ampiharin’ny maro ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao vaovao. Mametraka olana koa ny tsy fisian’ny firindran’asa eo amin’ny samy mpamboly. Matetika tsy mazava tsara ny ataon’izy ireo ka mametra ny asa amin’ny tokony hampiharana sy hanapariahana teknika vaovao.

Fananan-tany sy fanamboaran- dalana
Mitaky fanatsarana ny lafin-javatra maro ny fampitomboana ny voka-bary eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny sehatry ny fananan-tany sy ny fikolokoloana izany. Sakana amin’ny fanatsarana sy fampiasam-bola amin’ ny voly ny faharatsian’ny tany volena sy ny taratasin’ny tany tsy mazava. Ilaina ny fanavaozana ny fananan-tany ho fiarovana ny mpamboly sy ny fampiroboroboana ny fambolena. Ilaina koa ny fanavaozana sy fiarovana ny tany azo antoka, araka ny politika ara-dalàna napetraky ny fanjakana. Amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vahoaka mahakasika ireo fomba arahina ahazoana tany sy hahaizana mifehy ny fampidirana rano.Anjaran’ny vahoaka ny mamita taratasy mifandraika amin’ny tany angatahiny sy mitahiry izany. Ankoatra izay, zava-dehibe ny fahazoana vola hoenti-miasa amin’ny fambolena sy hialana amin’ny fomba taloha hidirana amin’ny fomba maoderina.
Tsapa ankehitriny fa tsy mampiroborobo ny sehatry ny fambolena ny tontolon’ny toekarena. Hita ho mahazo vahana ny mpanelanelana sy ny varotra, saingy tsy ampy ny mpamokatra.
Miteraka olana amin’ny vidin-javatra ho an’ny tantsaha sy ny mpanjifa ny mpanelanelana.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: