Fitaterana am-bisikileta : mahavonjy olona amin’ny fahatarana noho ny toham-boivoy

Miha mahazo va­hana ny fitaterana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta eto Antananarivo. Am­ba­ra fa anisan’ny antony mandrisika azy ireo ny tsy fisian’ny asa. Ma­nala ny mety ho fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny fitohanan’ny fiara lavareny eny an-dalana ny fisian’izy ireny amin’ny ankapobeny.

Olana eto Antananarivo ny fitohanan’ny fiara lavareny eny an-dalana. Matetika ahitana izany, saika ho isan’andro, ny toerana maro, toy ny etsy Ano­sizato, Anosibe, Ivandry, Ana­lakely sy ny maro hafa. Va­haolana amin’ny mety ho fahataran’ny maro, indrindra ireo hamonjy asa sy hianatra, ny fitaterana am-bisikileta. Maro ny lalana andehan’ireo mpikarama amin’ity asa ity, toy ny mankany Ampitatafika, Cnaps, Anosy, Ankadimba­hoa­ka, Andohatapenaka…
“Haingana kokoa sady zakan’ny sarambabem-ba­hoaka ny saran-dalana aminy raha oharina amin’ny fitaterana hafa, indrindra rehefa ao anatin’ny fitohanan’ny fiara”, hoy ireo olon-tsotra nanontaniana. 5 na 7 minitra eo ny faharetan’ny lalana raha eo Anosibe mankeny Anosizato na mankeny Anosy. “15 hatramin’ny 30 minitra eo kosa raha Anosy mankany Ampita­tafika, arakaraka ny sakantsakana misy eny an-dalana”, hoy ireo mpitondra taxi-bisikileta nanaovana fanadihadiana. Manodidina ny 500 hatramin’ny 4 000 Ariary eo ny saran-dalana amin’ity fitaterana iray ity, arakaraka ny halaviran’ny lalana. “Maraina sy hariva no tena be mpandeha satria hamonjy fotoana sy maika hody ny ankamaroan’ny olona amin’ireo fotoana ireo”, hoy i Tsiry, mpitondra taxi-bisikileta. Ireo mpiasa sy mpianatra no tena misafidy ny hitaingina ny taxi-bisikileta eny an-toerana. Amin’ny ankapobeny, migadona eny an-kianja ireo taxi-bisikileta manomboka amin’ny 5 ora maraina. Mody izy ireo amin’ny 7 ora sy sasany, misy kosa ireo miharitra hatramin’ny 9 ora alina.

Mahazo 15 000 – 30 000 Ariary isan’andro

Noho ny tsy fisian’ny asa, lasa manao asa fitaterana am-bisikileta ny ankamaroan’ny lehilahy eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana. Nanombo­ka niha nahazo vahana kosa io fitaovam-pitaterana io na­nomboka tamin’ny fihibohana nandritra ny fisian’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny Nosy. “Aleo manao taxi-bisikileta toy izay hanao asa ratsy mba hahafahana mampidi-bola sy mamelona ny ankohonana ao an-tokantrano”, hoy hatrany izy. “Hamelomako ny vady aman-janako, telo mianaka, ity asa fitaterana ity ary tena mahavelona tsara”, hoy kosa i Tafita, mpitondra taxi-bisikileta iray hafa.
“Azo iainana sady mahavelona tsara ny asa fitaterana amin’ny alalan’ity fitaovana iray ity”, hoy hatrany izy ireo. Mahazo vola manodidina ny 15 000 hatramin’ny 30 000 Ariary isan’andro eo izy ireo, arakaraka ny tsena. Mahavita fiverimberenana in-15 hatramin’ny 20 eo izy ireo mandritra izany.

Mitaky fitiavana sy faharetana

Toy ny asa rehetra, mitaky fitiavana sy faharetana ary finoana ny fanaovana ity taxi-bisikileta ity. “Ilaina ny fitondrana am-bavaka ny asa mba hitantanan’Andriamanitra ny dianao eny an-dalana eny”, hoy hatrany i Tafita, mpikarama manao taxi-bisikileta.

Mila mahafehy ny lalàn’ny fifamoivoizana

Anisan’ny iharan’ny lozam-pifamoivoizana matetika ireo mpitondra bisikileta mampiasa ny arabe. Antony mahatonga izany ny tsy fanarahan-dalàna na ny tsy fahaizan’ny ankamaroan’ny mpitondra bisikileta lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Eo koa ny tsy fahitan’ny mpitondra fiara na ny mpitondra kodiarandroa azy ireny. Mitarika amin’ny fandoman’ny fiara azy ireny avy any afara izany amin’ny ankapobeny. Ankoatra izay, maro amin’ireo bisikileta niharan-doza no tsy misy jiro mamiratra sy katadiopra, izay fitaovana iray manome tara-pahazavana rehefa tarafin’ny jiro, ahahafahan’ireo mpampiasa fiara sy mpitondra kodiarandroa mahita ireo fitaterana hafa amin’ny andro alina. Ilaina indrindra amin’ny fiarovana ny mpitondra bisikileta eny amin’ny arabe rehefa andro maizina izy io. Samihafa amin’ny fiara sy ny kodiarandroa tokoa mantsy ny bisikleta. Ny fiara sy ny kodiarandroa izay samy misy jiro manazava eo aloha sy aoriana. Sady manazava ny lalana no mampahafantatra ny fisiana amin’ireo mpampiasa lalana hafa ireo jiro ireo, indrindra ho an’ireo bisikileta izay tsy misy jiro. Ny katadiopra no hany fomba ahafahan’ny mpitondra fiara na kodiarandroa hafa mahita ny bisikileta, indrindra rehefa maizina sy amin’ny alina. Ilaina, araka izany, ny fahafehezana ny lalàn’ny fifamoivoizana sy fanasiana ireo jiro manazava isan-tsokajiny ireo amin’ny bisikileta, mba hahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana eo aminy sy ny fiara eny an-dalana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: