Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana. Mitotaly 286 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena manerana ny Nosy, ny 24 sy 25 desambra teo. Tao ny fanafihana mitam-basy iray sy ny fanafihana mitam-piadina roa. Mitotaly 15 ireo vaky trano niseho saingy voasoroka ny telo tamin’izany. Miisa 32 ireo halatra madinika raha 14 isa kosa ny fanendahana maro samihafa. Miisa roa ny trangana fanafihana voasoroka raha iray kosa ny trano may nandritra ny fetin’ny Krismasy. Ankoatra ireo, mitotaly 47 ireo trangana lozam-pifamoivoizana. Olona 13 isa no naratra vokatr’izany raha roa kosa ireo namoy ny ainy. Roapolo kosa ireo lozam-pifamoivoizana nahasimbana fitaovana maro samihafa.
Olona 54 teto Analamanga
Tafakatra 54 ireo olona voasambotra ny alin’n 24 hifoha 25 desambra teto amin’ny faritra Analamanga. Tafiditra amin’izany ny asa ratsy isan-karazany, hoy ny polisim-pirenena. Mitotaly efatra ireo sarona noho ny halatra miharo herisetra miaraka amin’ny basy. Olona iray kosa voasambotra tamina halatra miharo herisetra nampiasana antsy. Olona roa hafa indray nosamborina tamina vaky trano. Etsy ankilany, 11 ireo tratra nanendaka. Miisa sivy ireo voasambotra tamina halatra tsotra raha fito kosa ireo tratra tamina halatra madinika. Mitohy ihany koa ny fisafoana eny amin’ny elakela-trano isan-karazany. Vokany, olona roa voasambotra tamina varotra sy fidorohana zava-mahadomelina. Nahatratra 13 isa kosa ireo voasava nampiahiahy, efatra kosa ireo mamo an-dalambe.
Ankoatra izay, miisa sivy ny trangana lozam-pifamoivoizana, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BAC (Bureau des accidents de la circulation). Efatra tamin’izany naharatrana olona avokoa raha namoizan’aina kosa ny iray. Miisa efatra ny lozam-pifamoivoizana nanimban-javatra. Iray tamin’ireo loza tsotra, ny telo kosa vokatry ny hamamoana eo am-pamiliana fiara daholo.
Miisa 5.263 kosa ireo polisy niasa nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely.
Henintsoa H.