Mbola vitsy amin’ ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana no tsy mandeha an-tsekoly hatramin’ izao. Olana ny tsy fahafehezany sy ny manodidina azy ny teny tanana.
Mahatratra 200 000 isa eo ireo olona marenina na manana olana ara-pandrenesana eto Madagasikara, raha ny antontanisa nivoaka farany, ny taona 2017. Miaina sy monina eto Antananarivo avokoa ny 20 000 amin’izy ireo. Mianatra eo anivon’ny Akanin’ny marenina (AkaMa) etsy 67 ha ny 200 amin’izy ireo. Izay ahitana mpianatra tsy manana olana eo amin’ny fandresana miisa 40. “Fivoizana ny fampiatiana eo anivon’ny sekoly ny antony andraisana ireo ankizy salama tsara maniry ny handrato fianarana hiaraka amin’ny ankizy marenina”, hoy Ravelosaotra Fitasoa Noelson, mpampianatra sady mpiandraikitra ny fanofanana ny teny tanana eo anivon’ny Akama. Mbola betsaka ireo ankizy marenina tsy tafiditra an-tsekoly hatramin’izao satria tsy mahay ny teny tanana, raha ny fanazavana voaray. Ho an’i Madagasikara manokana, manodidina ny 500 hatramin’ny 600 eo ho eo ny marenina miditra an-tsekoly, raha ny tatitra voaray hatrany.
Anisan’ny mandray an-tanana ireo ankizy manana olana ara-pandrenesana ity ivontoerana ity. Miara-miasa amin’ny sekoly enina eto amin’ny Nosy izy ireo mandritra izany. 40 taona niorenana ny ivontoerana Akama ary hankalaza izany amin’ny taona 2025 ho avy izao. Voizina mandritra izay fotoana izay fa manana zo sy mitovy amin’ny ankizy rehetra ihany ny marenina. Toy ny zo hianatra, ho tsaboina sy ny maro hafa. Maro, araka izany, ny anjara andraikitra sy ny tantsoroka raisin’izy ireo. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny ankizy eny anivon’ny sekoly, ny fampiofanana ny mpanabe mba hahatafita tsara ny fahalalana. Eo koa ny fizarana fitaovam-pihainoana ho an’ireo zaza marenina na manana olana ara-pandrenesana. Fanampin’izay, ny fanentanana ny ray aman-dreny handray an-tanana sy handefa ny zanany marenina any an-tsekoly.
Misedra olana maro
ny marenina
Olana sedrain’ny marenina ny tsy fahafantaran’ny olona ny fisian’izy ireo. Tsy fantatra mihitsy ny olona iray hoe mandre na tsia raha tombanana maso ivelany fotsiny. Raha misy olona iray marenina nefa tsy fantatry ny eo anivon’ny fiarahamonina dia mijaly izy. Vitsy ireo olona mahay mifandray aminy raha fantatra indray ny fisiany. Miteraka fomba fisainan’ny fiarahamonina hanilikilika ny marenina izany zava-misy izany. Vahaolana ny fanentanana ny rehetra handalina ny tenin’ny tanana, ahafahana mamaha ny olana sedrain’izy ireo. Ankoatra izay, vitsy amin’ireo fampahalalam-baovao misy eto an-toerana no fantatry ny marenina. Voafetra, araka izany, ny fahaizan’ny marenina, indrindra mahakasika ny vaovao. Fanampin’ izay, mbola olana ihany koa raha misy amin’ireo marenina te hihoatra sy hanohy fianarana eny anivon’ny oniversite. “Hatramin’izao, tsy mbola misy oniversite malagasy afaka mandray marenina hianatra amin’izy ireo eto an-toerana”, hoy hatrany izy. Ho an’ny Akama, hatreo amin’ny fanalanana fanadinam-panjakana bakalorea ihany ny tantsoroka raisin’izy ireo.
Tombana atao mivantana
Anjaran’ny ray aman-dreny ny mamantatra ny zanany raha toa ka marenina izy. Amin’ny alalan’ny fikapohana latabatra mafy, teny mafy, tehaka mafy, sy ny maro hafa ny fomba atao mahazatra ao anivon’ny tokantrano. Efa tokony hanana ahiahy kosa izy ireo raha toa ka tsy misy fiantraikany any amin’ilay zaza izany fihetsika izany. Tombana ihany izany, ary ilaina fanamafisana any amin’ny mpitsabo avy hatrany.
Hanabeazana ny ankizy marenina ny teny tanana
Zava-dehibe ho an’ny olon-drehetra ny teny tanana, na olona tsy manana olana ara-pandrenesana na ho an’ny marenina. “Raha sendra olona marenina tojo olana eny an-dalana isika, inona no ataontsika raha tsy mahay ny tenin’ny tanana?”, hoy hatrany izy. Na mahay azy io aza ilay marenina kanefa ny olona miresaka aminy tsy mahay dia misy zavatra mihitsoka foana eo. Fantsona iray hanabeazana ny ankizy marenina ny teny tanana, entina mifandray sy mifanakalo hevitra kosa izy io, ho an’ny olon-dehibe. Efa misandrahaka amin’ny lafiny maro ny teny tanana. Raisina manokana ireo olon-dehibe marenina nefa tsy mbola mahay izany. Efa manana izay tolotra izay ny Federasionin’ny marenina eto Madagasikara. Ho an’ny olona tsy manana olana ara-pandrenesana kosa, misy dingana telo ny fianarana ny teny tanana. Voalohany, ho an’ireo vao hanomboka, manodidina ny 11 andro, mianatra adiny efatra isan’andro ny faharetan’ny fianarana. Efa mahay ny teny tanana izy ireo aorian’izay. Raha mbola te handalina ilay olona dia miditra amin’ny dingana faharoa eo anelanelany. Maharitra iray volana, mianatra adiny efatra isan’andro. Dingana fahatelo farany kosa ho an’ireo te hirotsaka ho lasa mpandika teny. Maharitra amam-bolana maro. Misy fanamarinam-piofanana avokoa aorian’ny fahavitan’ny fianarana. “Teny mora hianarana ny teny tanana satria efa misy fitaovana ampiarahina amin’izany”, hoy hatrany ny fanazavana.
Nanatontosa : Mino