Haratsian-dalana : 10 isan’ andro ireo fiara misedra olana amin’ny lalam-pirenenana fahadimy

Mampimenomenona ny ankamaroan’ny mpandeha sy ny mpitatitra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena eto amin’ny Nosy. Raha ho an’ny lalam-pirenena fahadimy manokana, fiara tsy latsaky ny 10 ireo misedra ola­na manoloana izany.

Zato kilometatra miainga eo Toamasina ny halaviran-dalana misy an’i Fenoarivo Atsina­nana, izay renivohitr’Ana­lan­jirofo. Mahatratra 8 andro be izao ny faharetan’ny fandehanan’ny fiara amin’izany lalana izany, raha ny zava-misy amin’izao fotoana. Antony mahatonga izany ny haratsian’ny lalana sy ny fotodrafitrasa misy any an-toerana. Efa mampiteny ny moana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa amin’iny lalam-pirenena fahadimy iny amin’izao fotoana. Tsy hita soritra intsony ny maha arabe ny lalana. Fiara mpitatitra entana na olona tsy latsaky ny folo isan’andro no misedra olana isan-karazany. Maro ny voka-dratsy aterak’izany, toy ny fahasimban’ny fitaovana eny an-dalana, ny fahaverezan’ entana vokatry ny asan-jiolahy izay mandravarava eny am-pandehanana. Etsy ankilany, miteraka fiakaran’ny saran-dalana sy fandaniana mihoapampana ho an’ny mpandeha ihany koa ny zava-misy, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra izay, mety mahataraiky ny fiara sy ny mpandeha eny an-dalana ihany koa ny mety ho fahasimbana tampoka amin’ny fiara. Mitarika ny fatoriana an-dalana ho an’ny fiara mihitsy izany raha toa ka tsy misy fiara hifindrana.
Raha ny zavatra misy, tsy dia tia mampisakafo mpandeha an-dalana loatra ny mpamily amin’iny lalam-pirenena fahadimy iny. Anisan’ny mampiavaka azy ireo amin’ny mpitatitra hafa izany. Anton’izany ny fofona avy amin’ny mpamily mpanampy sy ny haratsian’ ny fiara ivelany sy anatiny ary ny fanaovana taingim-be.

Maro ny sakana ataon’
ny zandary sy polisy
Amin’ny ankapobeny, ma­ha­tratra impito be izao ny sa­ka­na ataon’ny zandary sy polisy amin’ireo fiara mpitatitra amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Miainga avy any Analamalotra mitohy ha­tra­­ny Fenoarivo Atsinanana ny sakana maro ataon’ny zandary. Indroa ahitana sakana kosa ho an’ny polisy mandritra izany.
Rehefa voasakana ny fiara, efa manomana vola ho an’ireo mpitandro filaminana manao ny sakan-dalana ireo mpamily. Amin’ny ankapobeny, fanolorana antontan-taratasy na taratasin’ny fiara misy vola ao anatiny no ifanaovan’ ny mpitandro filaminana sy ny mpamily mandritra izany. Afaka mandeha avy hatrany ny fiara rehefa voarain’ireo mpitandro filaminana ny vola omen’ny mpamily, raha ny zava-misy eny an-dalana eny. Tsy any amin’ireo toerana ireo ihany anefa no ahitana izany zava-misy izany fa ahitana izany avokoa ny faritra sy toerana rehetra eto amin’ny Nosy.

Tsy hasarotina ny fisavana fiara noho ny haratsian-dalana
“Tsy hasarotin’ny mpitandro filaminana ny fisavana ny fiara satria iaraha-mahita ny haratsian-dalana ka samy manao izay mahasoa azy”, hoy ny mpamily iray nanaovana fanadihadiana. Saika tsy ara-dalàna avokoa ny fizahana ara-teknikan’ny 95 % ny fiara mpitatitra amin’iny lalam-pirenena fahadimy sy mihazo ny lalam-pirenena faha-22 A iny, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo mpamily hatrany. Ankoatra izay, mbola maro amin’izany, ny manao taingim-be. “Tsy misy tombony azon’ ny fiara mpitatitra sy ny mpamily ny asa noho ny fahasimban’ny fiara vokatry ny haratsian-dalana sy ny zava-misy eny an-dalana”, hoy hatrany izy nanamafy.

Mpitatitra mahazo tombony voalohany

Azo lazaina ho mpitatitra migoka ny tombontsoa avy
amin’ny mpandeha voalohany indrindra ireo mpitatitra olona na taksiborosy amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny, raha ny zava-misy. Anisan’izany ny saran-dalana. Raha ho an’i Fenoarivo manokana, manodidina ny 15 000 Ariary ny saran-dalana mankany raha avy ao Toamasina. Manodidina ny 100 kilometatra eo ny halaviran-dalana amin’izany. 15 000 Ariary ihany kosa raha miala any Mahambo ho any Toamasina. Manodidina ny 75 kilometatra eo ny halaviran-dalana. Raha mpandeha avy eo Mahambo ho any Fenoarivo kosa, 5 000 Ariary ny saran-dalana. Raha atambatra ireo rehetra ireo, mahatratra 20 000 Ar ny saran-dalana iray ho an’ny 100 kilometatra any an-toerana.

Toerana misedra olana amin’ny fotoam-piotazana letisia
Efa hoavy ny fotoana fiakaran’ny vokatra letisia atsy ho atsy. Anisan’ny misedra olana eo amin’ny sehatry ny fiotazana sy fikirakirana ary fanondranana letisia ny any an-toerana noho ny haratsian-dalana. Hiteraka voka-dratsy sy zava-doza eo amin’ny mpandraharaha letisia izany zava-misy izany raha tsy misy fandraisan’andraikitry ny fanjakana mialoha.
Raha sendra misy fahasimban’ny fiara mpitatitra entana letisia eny an-dalana. Mety tsy hatratra ny fe-potoana fampidirana ny vokatra any anaty mangazay mpandray azy ny entana. Mety hitarika fahafatesana na fahasimban’ny vokatra ihany koa izany. Tafiditra ao anatin’ny vokatra mora simba ny letisia. Anisan’ny manimba azy ireo ny hafanana diso tafahoatra, ny fanindriana azy entana mavesatra sy ny maro hafa. Mahatonga fatiantoka goavana eo amin’ny mpanangom-bokatra izany zava-misy izany. Amin’ny ankapobeny, matetika mindram-bola amin’ny banky na mpampindram-bola madinika ny mpikirakira letisia. Miandrandra fanamboarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra ny lalana, ireo mponina sy mpampiasa lalana rehetra any an-toerana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: