Oniversiten’i Toamasina : nahazo boky 15840 isa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières

Anisan’ny manampy betsaka ny se­hatry ny fanabeazana ny fananana boky sy ny toerana famakiana boky. Ho an’ny oniversiten’i Toa­ma­sina manokana, nahazo boky maro samihafa avy any Frantsa izy ireo.

Nahazo fanomezana b­oky maro samihafa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières, ny oniversiten’i Toamasina. Nanolo­tra izany ho an’ity Anjerima­nontolo iray ity, ny filohan’ny fikambanana, Claudine Ville­min, monina sy mipetraka any amin’ny Notre-Dame de Bon­deville. Tanjona amin’ny fanolorana ireo boky ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eo anivon’ny oniversite. Hah­a­fahana manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra hanovo fahalalana azo avy amin’ny famakiana boky ihany koa izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nahitana fonosana manodidina ny 792 ireo fanomezana. Nahitana boky miisa 15840 amin’ny teny frantsay, novokarina tany Frantsa avokoa ireo boky rehetra ireo. Mahatratra 15 m3 sy milanja 13 taonina izany. Marolafy ny karazan’ireo boky ireo izay mitsinjara toy izao. 159 baoritra ny boky momba ny Histoire-Géographie supérieur. 47 baoritra ireo boky « Romans littérature classique ». 2 baoritra ny mahakasika ny « Littérature ». 7 baoritra ny momba ny Prix Nobel. 5 baoritra ny Romans historiques. 36 baoritra ny Romans policiers. 4 baoritra ny Ro­mans SF. 8 baoritra ny boky Romans tamin’ny taonjato faha-21. 56 baoritra ny mahakasika ny tantaram-pitiavana fotsiny. 5 baoritra ny momba ny Romans amin’ny fiteny anglisy. Baoritra iray ny ma­ha­kasika ny “Œuvres complètes de Pagnol”.

Tsy hadino ny boky ilaina amin’ny fianarana
Amin’ny maha ivon-toeram-panabeazana ny oniversiten’i Toamasina, tsy hadino ary nomena vahana ny tolotra mahakasika ny boky tena ilain’ny mpianatra sy ny mpampianatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tahaka izao avy izany, 5 baoritra ny boky mahakasika ny Théâtre. 14 baoritra ny mahakasika ny Français (anthologies) ho an’ny lysea. 21 baoritra ny Magazines, Revues géo ary ny momba ny siansa. 11 baoritra ny Annales de L’ESC. 11 baoritra ny Revues littérature et linguistique. 2 baoritra ny « Littérature africaine ». 4 baoritra ny momba ny « Dictionnaire Français ». 35 baoritra ny momba ny « Encyclopédies généralistes ». 2 baoritra ny « Encyc­lopédies Monde contemporain ». 3 baoritra ny boky momba ny « Encyclopédie des muses ». 2 baoritra ny mahakasika ny « Encycl­o­pédie histoire des civilisations ». 4 baoritra ny boky ma­hakasika ny « Encyc­lo­pédie de la faune ». 2 baoritra ny boky momba ny « Univers en couleurs ». 3 baoritra ny maha­kasika ny « Encyclo­pédie Art ». 2 baoritra ny mahakasika ny tantaran’ny zavakanto. 7 baoritra ny boky mahakasika ny Art. 3 baoritra ny boky mahakasika ny zavakanto sy ny fandokoana. 1 baoritra ny mahakasika « Ar­chi­tecture ». 2 baoritra ny ma­hakasika ny « Dictionnaire uni­versel de la peinture ». 3 baoritra ny boky momba ny « Dictionnaire universel de l’Art, Larousse ». 2 baoritra ny mikasika ny « Dictionnaire Mourre histoire ». 2 baoritra hafa mahakasika ny « Diction­naire Larousse ». 2 baoritra ma­hakasika ny « Grand dictionnaire Larousse Lettres ». 8 bao­ritra mahakasika ny “Grand dictionnaire Larous­se”. Roa baoritra ireo boky mahakasika ny “Time Life”. 16 baoritra ny boky momba ny tantara. Baoritra iray mahakasika ny “Docs Histoire”. 13 baoritra ny boky mahakasika ny “Géographie” ary dimy baoritra kosa ny boky momba ny “Géographie sup”.

Boky manampy amin’ ny asa fikarohana

Ankoatra izay, tafiditra betsaka tao anatin’ireo tolotra ireo ihany koa ny boky natokana ho an’ny mpianatra efa eny anivon’ny oniversite. Ahafahan’ireo mpianatra manampy amin’ny asa fikarohana miandry azy ireo ireto tolotra ireto. Mitsinjara toy izao ireo boky ireo. Boaritra iray ny boky mahakasika ny « Magazine Géo ». 2 baoritra ny boky momba ny « National Géographic ». Ahitana baoritra iray ny mahakasika ny « Nature ». 18 baoritra ny mahakasika ny « Droit, Sciences politiques, géopolitique, Économie politique ». 47 baoritra kosa ny momba ny « Eco, Droit, Gestion, Management sup ». 4 baoritra ny mahakasika ny « Droit sup et éco sup en anglais ». 36 baoritra ny boky momba ny « Sciences et technique sup ». 3 baoritra ny boky momba ny « Astrophysique ». 31 baoritra ny mahakasika ny « Physique-Chimie sup ». 20 baoritra ny boky momba ny « Maths sup ». 33 baoritra ny mahakasika ny « Lettres sup ». Baoritra iray momba ny « CDI sup ». 15 baoritra ny boky momba ny “Philosophie ». Roa baoritra ny mahakasika ny “BTS Tertiaireé», 3 baoritra ny « BTS Français”. Roa baoritra ny mahakasika ny “Anglais sup ». 5 baoritra ny momba ny “Informatique ». 2 baoritra ny boky mahakasika ny “Sciences grand public ».

Nisy ho an’ny lyçée
3 boaritra ny boky mahakasika ny “Français lycée anthologie ». 10 baoritra ny boky momba ny « Français 1ere sy 2nde ». 5 baoritra ny boky mahakasika ny « Français » ho an’ny kilasy 2nde. 25 baoritra mahakasika ny « Français » ho an’ny kilasy 1ere. 3 baoritra ny boky mahakasika ny «Français méthodes et techniques ». Baoritra iray avy ny mahakasika ny « Orthographe et grammaire » sy ny «Annales Français » ho an’ny kilasy 1ere ary ny « Littérature » ho an’ny 2nde sy 1ere. 3 baoritra ny mahakasika ny « Bandes dessinées ».

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: