Fahantrana : miditra eo amin’ny sehatry ny asa ny 47% ny ankizy

Tsy mitsahatra mi­tombo ireo ankizy tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’ny manery azy ireo amin’izany ny fahantrana sy ny fahasahiranana mianjady eo anivon’ny ankohonana misy azy.

160 tapitrisa na iray amin’ny 10 ireo ankizy tsy am­py taona miasa manerana izao tontolo izao, raha ny antontanisa navoakan’ny Organisation internationale du travail (OIT) tamin’ny taona 2022. Mitana ny laharana voalohany amin’io tranga io ny firenena afrikanina, izay 72 tapitrisa eo ny antontanisa mahakasika izany. Raha ho an’i Madagasikara manokana, mahatratra 47% ireo ankizy (5 – 17 taona) miditra sahady eo amin’ny sehatry ny asa, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef, tamin’ny taona 2022. Ankizilahy kely avokoa ny maherin’ny 50% amin’izy ireo, raha toa ka 44% ny ankizivavy. Mitana laharana faharoa amin’io tranga io ihany koa ny any Azia sy Pasifika. Manodidina ny 62 tapitrisa eo ny taha mahakasika izany. Marika ahafantarana fa tsy mandroso ny firenena iray rehefa maro ny tahan’ny ankizy tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa.

Ahitana io tranga io avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Mahazo vahana kokoa izany any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, toy ny any Matsiatra ambony, Anosy ary Androy. Mahatratra hatramin’ny 60 % ny tahan’ny ankizy tsy ampy taona any amin’ireo toerana ireo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny mpiaro ny zon’ny ankizy. Antony mandrisika ireo ankizy hiasa ny tsy fahampiana sy ny fahantrana mianjady ny fianakaviana sy ny ankohonana, raha ny fanadihadiana natao. Tsy fidiny ary voatery mitady vola entina hanampiana ny ray aman-dreny, araka izany, ny ankizy misedra izany olana izany. Voatery mandefa ireo zanany hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ny ray aman-dreny rehefa tojo fahasahiranana. Tanjona ny hahafahana mifanampy amin’ny fidiram-bola eo anivon’ny tokantrano. Antony hafa mahatonga ny zaza hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ihany koa ny mety ho fahafatesana tampoka eo amin’ny ray na reny niteraka. Tsy ampy intsony ny fidiram-bola ary mahatsiaro banga ny ankohonana ka voatery miasa tsy fidiny manampy ny tokantrano izy ireo. Tsy mahavaha ny olana rehetra anefa ny fidiran’ny ankizy tsy ampy taona amin’ny sehatry ny asa fa vonjitavanandro ihany. Tsy mahafa-po ihany koa ny karama raisin’izy ireny, satria manodidina ny 40 000 hatramin’ny 80 000 Ariary isam-bolana eo izany.

Tsy mifidy asa ireo ankizy amin’ny ankapobeny

Ataon’ny ankizy avokoa rehefa asa rehetra misy ka mety ahazoam-bola. Misy ireo manao ny asa an-trano, toy ny fikarakarana sakafo, fanadiovana trano, fanasana lamba, fitaizana zaza sy ny maro hafa. Hita tena manao izany betsaka ny ankizivavy kely. Eo koa ny asa fanadiovana fiara, fitrandrahana sy fikapohana vato eny amin’ny kariera, betsaka manao izany indray ny ankizilahy kely. Misy indray ny manao ny asa fivarotana an-dalambe, matetika asa mandehandeha ny betsaka amin’izany. Ankoatra izay, eo ihany koa ny fivarotan-tena amin’ny endriny an-kolaka na mivantana. Ahitana izany betsaka ny any anaty tambajotra sosialy amin’izao fotoana izao.

Mampidi-doza ny ankamaroan’ny asa

Miasa eo anivon’ny sehatra mampidi-doza avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy ireo. Tafiditra ao anatin’ny asa manohintohina ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina izany, raha ny zava-misy. Tsy afaka manohy ny fiainana sy misitraka ny zony ara-dalàna intsony, araka izany, ny ankizy vao manomboka miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’ny voatohintohina ao anatin’izany ny tsy fahafahany misitraka ny zony hianatra sy hiditra an-tsekoly. Maro, araka izany, ireo ankizy miala an-daharana an-tsekoly noho ny fiasana tsy fidiny.

Miezaka ampihena io taha io i Madagasikara
Nanao ezaka goavana ny firenena tsirairay avy manerana izao tontolo izao, nanafoana sy nampihena ny tahan’ny fidiran’ny zaza tsy ampy taona eo amin’ny tontolon’ny asa hatramin’ny taona 2000. Anisan’ny nanao ezaka tamin’ny fampitsaharana mian-dalana ny fampiasana ireo ankizy tsy ampy taona i Madagasikara, tamin’ny taona 2022. Tamin’ny alalan’ny fananganana fandaharanasa sy fidinanana ifotony teny anivon’ireo sehatrasa maro ataon’ny ankizy eto amin’ny Nosy. Eo koa ny fanentanana ny ray aman-dreny tsy hanery ny zanany hiditra sahady eo amin’ny sehatry ny asa. Nanara-maso ireo ankizy miasa amin’ny endriny rehetra. Ankoatra izay, paikady hamongorana izany ny fanamafisana ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona maneran-tany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: