Nanjakan’ny Malagasy ny dingana faharoa tamin’ny « Tennis Tour Juniors” J-30, ho an’ny sokajy zandriny. Lasantsika avokoa ny amboara rehetra niadiana tamin’izany. Niavaka anefa ny pao-droa vitan’i Mirija, sokajy lehilahy.
Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianja Club Olympique de Tananarive (COT) Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny “Tennis Tour Junior” J-30. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Federasiona iraisam-pirenena (ITF), niarahany tamin’ny Kaonfederasiona afrikanina (CAT) ary ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), mpampiantrano. Tsy namelan’ireo Malagasy mpilalao raha tsy nijanona teto avokoa ireo amboara sy medaly volamena, niadiana tamin’izany. Fandresena efatra tamin’ireo sokajy efatra niadiana no azon’i Madagasikara.
Anisan’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nampisongadina an’Andriantefihasina Mirija. Nanao pao-droa mantsy ny tovolahy, tamin’izany. Teo amin’ny olon-tokana, lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 7/5), ilay Afrikanina tatsimo, i Western Cuan. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’izy mirahalahy saingy hain’i Mirija ny namezivezy haingana ny baolina ka nahavery ny mpifanandrina taminy.
Mbola nibata ny amboara ihany koa i Mirija teo amin’ny olon-droa, niarahany tamin-dRakotomalala Mahefa. Resin’izy mirahalahy teo amin’ny famaranana i Western Cuan sy ilay teratany sinoa, i Jiaming Guo. Seta 2 (6/2 ; 6/1) no nisarahan’izy ireo. Nataon’izy mirahalahy tsy nisotro rano mihitsy ireo mpifanandrina taminy ireo.
Ho an’ny lalaon’olon-tokana vehivavy, tompondaka Andriantefihasina Elisoa, raha nanilika an’ilay Afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp. Seta 2 no ho 1 (6/3 ; 3/6 ; 6/4) no nisarahan’izy mirahavavy. Teo amin’ny olon-droa, lasan’i Mitia Martinez sy ilay Afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp, ny voalohany raha nanilika an’i Elisoa sy ilay Italianina, i Nicole Ballota. 6/4 ; 6/4 ny seta nisarahan’izy ireo.
Torcelin