Hatao ny 5 hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, divizionina faharoa nasionaly (D2 Nasionaly). Ahitana ekipa 24 ny mpifaninana ary nozaraina vondrona enina, misy ekipa efatra avy, izy ireo. Any amin’ny faritr’i Mahajanga, sokajy A, ny solontenan’ny ligin’Analamanga, Disciples FC Espoir, araka ny fitsinjaram-bondrona navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hifandimby hihaona amin’izy ireo, mandroso sy miverina, ny AJSM Melaky, ny Racing FC Boeny, ny FC Mahabat Atsinanana.
Tsara marihina fa nisy fanovana ny dingam-pifaninanana amin’ity divizionina faharoa nasionaly ity, ka tsy maintsy hiady ho tafiditra anaty roa voalohany ny Disciples FC Espoir raha tiany ny ho tafita any amin’ny dingana manaraka. Tsiahivina fa ireo 12 tafita amin’ity dingana manaraka ity no hatambatra sokajy iray ka hanao lalao efatra avy, any amin’ireto faritra ireto: Ambanja, ny 13-20 septambra; Fianarantsoa, ny 10 hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao. Ny dingana farany kosa izay hanao lalao telo avy eto Antananarivo, ny 17-22 novambra.
Ampahafantarina ihany fa manana solontena roa ny tompondaka sy ny laharana faharoa tamin’ny andiany farany teo dia ny ligin’Atsinanana sy Atsimo Andrefana.
Fitia Randria




