Famatsiana herinaratra : hihodina ny taona 2025 ny tobim-pamokarana ao Ambohimanambola

Hiasa manombola amin’ny volana jona 2025 ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola. Hitondrana vahaolana fohy ezaka, hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo.

Vahaolana fohy ezaka. Hamokatra herinaratra 105 MW ity tobim-pa­mokarana herinaratra eny Ambohimanambola mandeha amin’ny solika mavesatra ity afaka valo volana. Natomboka ny taona 2022 ny fanamboarana saingy mitarazoka tanteraka ny asa. Na izany, naminavina ny hampandeha ity tobim-pamokarana ity ny voalohan’ny taona 2024 ny Jirama, saingy olana ny fitaterana ireo motera miisa fito manana tanjaka 15 MW. Milanja 70 taonina ny iray amin’ireo motera ka ahina hanimba ny lalam-pirenena faharoa ny fitaterana izany miainga avy any Toamasina mankaty Antananarivo.
Mandra-piandry izany, handatsaka orana artifisialy ny Jirama vantany vao feno ny fepetra. Hampihodinana ihany koa ireo milina roa « turbines à combustion » (Tac) eny Ambohimanambola izay ma­nana tanjaka 30 MW mandritra ny ora mahabe ny filana herinaratra ny hariva. Mari­hina fa mandany gazoala 14 000 litatra isan’ora amin’ny famokarany herinaratra ny fotodrafitrasa.

Vahaolana lavitr’ezaka
Toromarika ho an’ny va­haolana lavitr’ezaka nomen’ny Filoham-pirenena hamahana ny fahatapahan-jiro eto amin’ny tambajotra iraisan’Antana­narivo ny fanitarana ny toho­dranon’Andekaleka. Afaka hitahiry rano hatrany amin’ny 400 000 000m3 ny fotodrafitrasa. Ankoatra izay, hametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ireo distrika miisa 47 sy ny renivohi-paritany manerana ny Nosy.

Henintsoa Hani

Partager sur: