Tontosa ny zoma teo, tao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana ny lanonana famindram-pitantanana eo amin’ny talem-paritry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hitantana ity sampandraraharaham-panjakana ity Rakotoarimampionona Judicael Rico. Voatendry taorian’ny filankevitry ny minisitra ny 25 septambra teo ny tenany ary handimby ny talem-paritry ny Fitaterana teo aloha, Andriantiana Théo Doris. Hanao asa mendrika ho an’ny vahoaka sy ireo eo ambany fitarihany, hijery manokana ny fomba hanatsarana ny fitaterana ao an-dRenivohitr’i Toamasina ary hanara-maso ny fizahana ara-teknikan’ny taksiborosy mampiasa ny lalam-pirenena. Ireo ny fanamby napetraky ny talem-paritry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro vaovao. Tonga nanatrika ity lanonam-panjakana ity ny sekretera jeneralin’ny Prefektiora sy ireo tomponandraikitra samihafa ao an-toerana.
Sajo