Variana nitelefaonina : lehilahy maty, voahosin’ny kamiao

Voalaza fa sady variana nitelefaonina no niampita arabe tampoka ny lehilahy iray ka voafaokan’ny kamiao. Maty tsy tra-drano, niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany

Potika voahitsaky ny kodiarana ny lohan’ny lehilahy iray tao Manan­kasikely, kaominina Man­jakan­driana, ny alahady 6 oktobra tolakandro teo. Niam­pita tampoka io lehilahy io ka tsy nahita ny fiarabe nandalo, araka ny filazan’ny nanatri-maso. Tsy vitan’io, variana niresaka tamin’ny finday izy. Voafaokan’ny kamiao ity farany. Notetezin’ilay kamiaobe teo amin’ny lohany io lehilahy io. Niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany. Vokany, maty tsy tra-drano izy. Nandamina ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Notanana atao famotorana kosa ny mpamilin’ny fiara. Naiditra am-balam-pamonjana ilay kamiao nitera-doza. Marihina, saika tsy fitandremana eo amin’ny samy mpampiasa lalana, izany hoe, ny mpamily sy ny mpandeha an-tongatra hatrany no mitera-doza tato ho ato. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fahatsapantenan’ny tsirairay mba hisorohana ny loza miseholany tato ho ato.

Voararan’ny lalàna
Marihina fa na ho an’ny mpandeha an-tongotra na ho an’ny mpitondra fiara dia ilaina hatrany ny fifantohana. Anisan’ny voasazin’ny lalàna rahateo ny fampiasana finday eo am-pamiliana. Matetika anefa hadino izany no zary fihatsarambelantsihy fotsiny. Firifiry amin’ny mpamily no mitelefaonina saingy rehefa mandalo polisy na zandary dia manafina. Ireo fiara mpandeha alina, amin’ny zotra nasionaly, no tena mampimenomenona ny mpandeha. Tsy vitan’ny mandeha mafy, mandalo lalan-dratsy, no mbola tanana iray no mitazona ny familiana. Mila manova toe-tsaina satria lahy tokana ny aina.

Tsiferana R.

Partager sur: