Mangetaheta fampiroboroboana ny fambolena ny tantsaha any Antalaha. Tohodrano roa no vita, ahafahana mampitombo ny vokatra.
Notokanana ny volana septambra teo, ny iray amin’ireo tohodrano roa namboarina any amin’ny kaominina Ambohitralanana, distrika Antalaha. Mahatratra 33 metatra ny halavany, manana lakandrano 2 225 m, amin’ny ilany havia ary 1 175 m amin’ny ilany havanana. Afaka manondraka velaran-tany 128 ha.
Misitraka mivantana ity fotodrafitrasa ity ny tantsaha any amin’ny fokontany Anjahamarina I sy Ambohitralanana ary Tanambao Ambatobe. Tanteraka ny asa vokatry ny fandaharanasa napetraky ny Birao manohana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (Bace), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF). Afapo amin’ny fijerena ifotony ny zava-bita ny tomponandraikitry ny Bace, Raharison Herilalaina. Nampirisihiny ny mponina mba hikajy sy hikojakoja ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana toy izao.
Latsakemboka
Nampahatsiahivin’ny talem-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (Drae) Sava, Ranaivoson Blériot, tamin’ireo tantsaha mpamboly ny tokony hanarahana antsakany sy andavany ny drafi-panajariana amin’ny fanodrahana velaran-tany (2014-042). Notsipihiny fa tena ilaina ny fitandroana ny fotodrafitrasa maharitra, indrindra ny fandoavan’ireo mpikambana ao anatin’ny mpampiasa rano ny latsakemboka ara-potoana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena ny fanitarana ny velaran-tany azo volena hampiakarana ny vokatra rahateo ity natao ity. Nisolo tena ny governoran’i Sava ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ao amin’io faritra io, Mahavory Nancys Raisse, nandritra ny fijerena ifotony sy fitokanana ny zava-bita.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Avaratra, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola ny fanamboarana tohodrano toy izao.
Njaka Andriantefiarinesy