VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 5 ha ny velaran-tany natokana ho an’ny minisiteran’ny Angovo, eny amin’ny tanàna vaovao haorina, Fieferamanga. Hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro io toerana io. Hanampy ny herinaratra mahery vaika, manana tanjaka 35 KV ihany koa eny an-toerana.
Miisa roa ny orinasa sinoa manarina ny lalana RN2. Manamboatra ny ampahany Antananarivo-Moramanga ny orinasa CHEC ary ny misahana ny tapany faharoa Ranomafana mandalo Antsapananana hatrany Toamasina, ny orinasa CRCC. Mamatsy vola ny asa ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR sy ny fanjakana malagasy.
Hikatona manomboka amin’ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra ny fotoam-panjonoana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Voarara koa ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana ary ny fanelanelanana ny vokatra an-dranomasina sy an-dranomamy. Mila mampahafantatra ny tahiriny ireo mpandraharaha noho izany.

Partager sur: