Nitondra fiovana lehibe eo amin’ny mpamboly vary ao Manandona, distrikan’Antsirabe II, ny fampiharana ny teknikam-pambolem-bary mahavokatra, tohanan’ny tetikasa Fanohanana ny fampandrosoana sy ny indostria eo amin’ny sehatry ny vary (Papriz). Mampitombo ny vokatra sy mampiroborobo ny toekaren’ny tantsaha ny fandaharanasa. « Nitombo avo roa heny ary tafakatra avo telo heny ny vokatra azoko rehefa nampihatra ny teknika Papriz aho», hoy Jean Claude, mpamboly vary avy ao amin’ny fokontany Zanakambony, kaominina ambanivohitr’i Manandona, distrikan’Antsirabe II. Nameno kitapo 70 kilao ny tenany teo aloha, ankehitriny, miakatra 90 kilao izany. Nomarihina fa tsara kalitao sy miavaka amin’ny habeny ny voka-bary azony. Nasongadin’ireo mpamboly fa mitaky fahaiza-manao manokana ny fampiharana ny teknika Papriz saingy tsara kalitao kosa ny vokatra azo.
Famokarana
Manatanteraka ny teknika Papriz ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Kendrena manokana ny hanamafisana ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara hanatsarana ny lalam-pihariana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny indostrian’ny vary amin’ny alalan’ny hetsika mivaingan’ny tetikasa. « Zava-dehibe ny hiantohana ny fitohizan’ny fandrosoana vita. Ao anatin’izany ny fitantanana ny rano hanondrahana ny vokatra sy hahazoana masomboly tsara kokoa », hoy ny mpanolotsain’ny Papriz, Ryuzo Habara. Ankoatra izay, harahi-maso ny zava-bita, hatsangana ihany koa ny toerana andrana hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpiara-miombon’antoka samihafa. Tanjona ny hanamora ny fifanakalozana ny fomba fambolena tsara indrindra eo amin’ny sehatra nasionaly.
Henintsoa H.