Famatsiana: Ho avy tsy ho ela ny vary avy any Inde

Misokatra ankehitriny ny fanafarana vary avy any Inde. Ho tonga eto Madagasikara afaka iray volana ny vary nafarana. Efa tonga any Toamasina sy Toliara kosa ny vary avy any Pakistan. Ity farany izay efa mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana. Vidiana 145 000Ar ny iray gony ary 2 900Ar ny iray kilao miala eny amin’ny mpamongady. Ankoatra izay, manomboka amin’ny 2 780 Ar ny iray kilao amin’ny vary vokatra eto an-toerana, raha 139 000 Ar ny iray gony 50 kilao. Noho izany, « ampy ny vary ary tsy misy atahorana ny hiatrehina ny maitso ahitra », hoy ny mpanara-maso avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), taorian’ny fitsirihana nataony teny an-tsena. Nilaza kosa ny mpamongady vary iray etsy Anosibe fa tsy misy atahorana ny famatsiam-bary eto Madagasikara. Marihina fa nahitam-piakarany ny vidim-bary eny an-tsena herinandro vitsy lasa izay izay, tafakatra hatrany amin’ny 3 700Ar izany.

Henintsoa H.

Partager sur: