Hotanterahina any Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany andiany faha-46 (JMT), ho an’ny taona 2025. Tapaka izany taorian’ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, tany an-toerana, ny herinandro teo. Nahafahana nanombana sy nampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny faritra izany. Malaza sy hamantaran’ny maro ny tanànan’i Morondava ny Circuit du Grand Tsingy, hita any amin’ny alan-javaboarin’i Bemaraha ary lalovan’ny reniranon’i Manambolo. Mampalaza ny tanàna ihany koa ny Allée des Baobabs izay tafiditra ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena anatin’ny lisitry ny Unesco ka mahasarika mpizahatany an’arivony. Nitsidika ny Centre écotouristique de Menabe (Cem) ihany koa ny minisitra. Toerana natokana ho fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana any amin’ ny faritra. Marihina fa
Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara sy hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity ny JMT. Tsiahivina fa nankalazaina tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra ny 26 sy 27 septambra ny JMT 2024.
Henintsoa H.