Faritra Melaky: saro-dalana indrindra eto Madagasikara, 200 000 Ariary ny saran-dalana

Anisan’ny mampitaraina ny mponina sy ny mpitatitra maro ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena samihafa. Mi­sedra izany efa ela ny mponina any amin’ ny faritra Melaky. Tafiditra ho faritra saro-dalana in­drin­dra eto Mada­gasi­kara izy io.

Faritra afovoany andrefana eto Madagasikara i Me­laky. Ahitana distrika dimy mandrafitra azy: Besalampy ao atsinanana, Ambatomainty, Morafeno be ny ao andrefana, Maintirano ary Antsalova. Mi­hazo ny lalam-pirenena RN1bis raha ho any. Misy lalana roa ny hahatongavana any an-toerana, avy eo Tsiroanomandidy na avy any Mahajanga. Misy ihany koa ny mandeha fiaramanidina.
Faritra saro-dalana indrindra eto Madagasikara izy io, raha ny fanadihadiana natao. “Lalan-tany, ratsy, ny mandeha mankany, indrindra rehefa fo­toam-pahavaratra”, hoy ireo mponina nanontaniana. “Maha­tratra 400 km mahery eo ny halaviran-dalana ary atao ana­tin’ny telo andro izany raha avy ao Tsiroanomandidy, izay mandeha fiara 4*4”, hoy ny filoha lefitry ny Fikambanana teraky Melaky (Fitem), i Georges. Ma­hatratra 200 000 Ariary ny saran-dalan’ny olona iray amin’ izany, avy ao Tsiroanomandidy mankany Maintirano. Raha eo Antsalova mankany Maintirano fotsiny (120 km), mahatratra 150 000 Ariary ny saran-dalana raha mandeha kamiao. Raha
ho an’ny distrikan’i Besalampy indray, tsy misy fiara mandeha any fa moto irery ihany noho ny haratsian-dalana. Nambarany hatrany fa 300 000 Ariary ny saran-dalana amin’izany.
Misy voka-dratsy eo amin’ny toekarena sy sosialin’ny mponina any an-toerana ny haratsian-dalana. Ahina ny fahasimban’ny entana taterina amin’ny kamiao na borty, na avy aty Antanana­rivo io na ny avy any an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. Voakasik’ izany ny entana mora simba, toy ny trondro maina, ireo karazana hazandranoma­sina, ny voanio sy ny maro hafa.

7 ny fakana an-keriny
niseho tao amin’ny distrikan’Antsalova

Ankoatra izay, nambaran’ ireo mponina fa tafiditra ao anatin’ny faritra mena noho ny asan-dahalo ihany koa any an-toerana. “Faritra iray anisan’ny be omby izy io, izay ny mahatonga ny tsy fandriampahalemana”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny Fitem. Ahitana olona voatafika amin’ny halatra omby, vaky fasana ary halatra maso any an-toerana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny filoha lefitry ny fikambanana Fitem hatrany. 7 ireo trangana fakana an-keriny niseho tao amin’ny fa­ritra Melaky, tao amin’ny disitri­kan’Antsalova, tamin’ny taona 2023, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Mitsinjara toy izao ireo olona lasibatra tamin’izany: dimy ny Malagasy, olona efatra votsotra. Nahatratra 4 000 000 ny sandan’ ny famotsorana notakin’ireo jiolahy tamin’ireo tranga ireo, izay naloan’ny fianakaviana avokoa.
Miteraka fahantrana lalina ho an’ny mponina any an-toe­rana, araka izany, ny zava-misy. Lasa tsy afaka mamokatra ny mponina noho ny tahotra. “Atao asa maika fotsiny ny fambolena, tsy mahasahy mijanona ela eny an-tsaha firy fa mody malaky”, hoy hatrany izy nanazava.

Mangataka ny hijerena ny faritra ny mponina

Faritra mitokana izy io ary lasa ankilabao na dia mitaky fampandrosoana aza ny mpitondra sy ny tomponandraikitra maro samihafa avy any amin’ iny faritra iny. Mangataka ny hijerena manokana azy ireo ny mponina. “Mahavelombolo ny filazan’ny filoham-pirenena ny hanamboarana ny lalana mihazo ny faritra Melaky, izay any amin’ny RN1bis”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny Fitem. Ham­boarina ihany koa ny avy ao Antsalova mankany Maintirano, hatrany Namakia. “Raha io no vita dia inoana fa handroso sy hampandroso an’i Madagasi­kara ny faritra Melaky”, hoy hatrany izy. Nambarany fa toerana ahitana solika, harena an-kibon’ny tany, fizahantany sy ny maro hafa ny faritra Melaky. An­koatra izay, mangataka ny handefasana mpitandro filaminana maro any an-toerana ihany koa izy ireo. Faritra manan-karena hazandranomasina izy io, am­bany anefa ny vidiny noho ny haratsian-dalana sy ireo olana maro voatanisa etsy ambony. Amidy 5 000 – 7 000 Ariary ny “thon” iray kilao any Maintirano, raha vidiana 50 000 Ariary izany eto Antananarivo.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v62), quality = 82

Fikambanana Fitem

Mifandimby mitondra ny fikambanana ny distrika dimy ao anatin’ny faritra. Ho an’ny teo aloha, anjaran’ny distrikan’i Mora­fenobe ny nitantana. Tapitra tamin’ny volana septambra teo ny fe-potoana ary niroso tamin’ny fifidianana filoha vaovao izy ireo, tamin’iny volana nodiavina teo iny. Lany, nandritra izany, ny filohan’ny Fitem, Seheno Corinne Michèlle. Anisan’ny nandrisika azy hirotsaka hofidina ny maha vehivavy tanora sy ny niofanany momba ny politika. Anisan’ny mpikambana any anaty fikambanana maro samihafa eto Antananarivo ihany koa ny tenany, anisan’izany ny CNFM. Ankoatra izay, “mahatonga saina ny antony mahataraiky ny faritra Melaky na eo amin’ny lafiny sosialy izany na ara-ekonomika nefa manan-karena amin’ny lafin-javatra maro, toy ny hazandranomasina…”, hoy izy raha nanontaniana.

Hijery manokana ny tanora mianatra eto Antananarivo

Vina hoentiny amin’ny maha filohan’ny fikambanana Fitem azy ny hampitambatra ny distrika dimy ao anatin’ny faritra. Nambarany fa hiara-hiasa amin’ny solontenan’ny distrika sy hihaino ny hetahetan’ny vahoka any ifotony ary hamantatra ny zavatra manahirana azy ireo ny tenany. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny faritra sy ny distrika tsirairay avy. Avy ao amin’ ny distrikan’i Maintirano izy. Ankoatra izay, “hojerena manokana ny tanora mandranto fianarana eto Antananarivo satria tsy afaka mivezivezy loatra noho ny haratsian-dalana any amin’ny faritra Melaky izy ireo”, hoy hatrany izy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: