Maty norasain’ny jiolahy antsy ny teratany sinoa iray, afakomaly alina. Maratra ny vadiny.. Lasan’ny jiolahy ny vola teny Fitraofana Talatamaty.
Namoy ny ainy vokatry ny vono sy fandrobana nataon’ny jiolahy nitam-basy ny teratany sinoa iray mpivarotra etsy Behoririka, tao Fitraofana, afakomaly. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, niditra an-keriny tao amin’ny tokantranona sinoa mivady ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana, nisaron-tava ary nikasa haka ny vola tao amin’ny tranon’izy mivady. “Mbola niresaka tamin’ny Sinoa namany tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo lasibatra ka nilaza fa misy manafika izy ireo ary niantso vonjy», araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Nitaky ny vola tamin’izy mivady ireo olon-dratsy rehefa tafiditra tao amin’ny trano fatoriana. Nafatotr’ireo jiolahy ny tanana sy tongotr’ilay lehilahy. Novonoin’izy ireo koa ramatoa vadiny. Tetsy an-kilany, nampandre ny mpitandro filaminana sy ny vondrona mpiambina tsy miankina iray ireo Sinoa namany nahafantatra ny zava-nisy tao amin’ireo lasibatra. Tonga ny mpitandro filaminana saingy efa nisokatra ny vavahady ary tsy nisy hita ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka koa ny mpiambina ny tanàna tamin’io alina io.
Nentina namonjy hopitaly
Maty naratra mafy teo amin’ny lohany sy mangana teo amin’ny tendany ilay rangahy. Vokatry ny vono nahazo ilay ramatoa, noezahin’ny mpitandro filaminana sy ny akaiky azy nentina tany amin’ ny hopitaly izy. Manaraka fitsaboana ity farany. Nozahan’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII kosa ny razana ho an’ilay lehilahy sinoa namoy ny ainy ary nentina tao amin’ny tranom-paty CHUJRA, omaly. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary taorian’io. Marihina fa mbola teo akaikin’izy mivady ny basy saika hiarovany tena. Nongotan’ireo jiolahy tao amin’io trano fatoriana io koa ny “disque dur” misy ny rakitsary tao anatin’ny “caméra”. Tsy fantatra ny totalin’ny vola voaroba.
Tsiferana Randriatiana