Loza mahatsiravina: olona dimy maty, efatra maratra mafy

Nandrika tanteraka ny ra omaly teo amin’ny 10 km tsy hidirana an’i Manakara tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faha 12 (RN12). Vo­kany olona miisa dimy indray maty tsy tra-drano. Isan’izany ny pretra nitondra ny fiara, ireo dokotera mpivady avy ao amin’ny “fondation médicale Ampasimanjeva” ary ireo masera roa niaraka taminy. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola mahatsiaro tena ny iray tamin’ireo naratra mafy. Araka izany, mbola mitsabo tena ao amin’ny hopitaly Be Manakara avokoa ireo relijiozy ireo. Ny roa tamin’izy ireo efa tsy atahorana ny ainy, ny iray mbola “sous oxygène” ary iray hafa mbola tsy maha­tsiaro tena, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Nidofotra mafy
Namonjy fotoam-pivavahana tao Vohipeno ireto mpikambana avy amin’ny fondation médicale ny maraina an’io. Nitodi-doha namonjy an’i Manakara kosa ireto mpandeha miisa sivy ny tolakandron’io. Tsy tafiodina tamin’ilay kihon-dalana teo amin’ny 10 km tsy hiditran’i Manakara anefa ilay fiara 4×4. Vokany, nilatsaka tao anaty hantsana ny fiara sady nidofotra mafy tamina kininina. Potika tanteraka izany sady indray maty avokoa ireo olona miisa dimy voalaza etsy ambony. Ireo namany efatra kosa naratra mafy. Vaky loha, tapa-tongotra ary ratra anaty no nitarika ny fahafatesan’ireo mpandeha. Misy amin’ireo namany mbola velon’aina koa no tratrin’ny “hémorragie interne”, raha ny angom-baovao hatrany. Hatreto tsy mbola voafaritra ny antony nahatonga ny loza, tsy mbola misy afaka manazava izany ireo niharam-boina. Saingy tsy manakana ny fanadihadiana rehetra izany.

Henintsoa H.

Partager sur: