VAOVAO TAMBATRA

Voaresaka nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny « initiative ceinture bleue », andiany fahatelo, tany Maraoka ny famokarana sy fanomezana asa manga hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vonona hiara-kiasa amin’ireo firenena aty Afrika rahateo Madagasikara hikajiana ny tontolo an-dranomasina.
Miamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tapaka in-telo farafahakeliny ny herinaratra ao anatin’ny iray andro ary maharitra ora telo mahery izany. Miantraika amin’ny toekaren’ny orinasa madinika ny zava-misy. Voatery mampiato ny famokarana sy miandry ny fiverenan’ny herinaratra ireo miasa tena sy miankin-doha amin’izany.
Miakatra ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra, nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity. Araka ny fampahalalam-baovao nomen’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, anisan’ny maloto indrindra ny rivotra iainana eny Amboditsiry, Antsakaviro, Andraharo, Andranomena, Ambatobe, sns. Samy mihoatra ny fetran’ny OMS 15µg/m3 ireo.
Natao sonia, omaly 9 oktobra, ny fifanarahana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP) sy ny Bianco. Laharam-pahamehana ny tombontsoam-bahoaka, ka tsy voatery ho volabe vao afaka manova ny fiainam-bahoaka, hoy ny minisitra Rafidison Richard T. Nanentana ny mpiasan’ny MTP ny DG-n’ny Bianco tsy hanao kolikoly.

Partager sur: