Fisedrana olana sy fanilikilihana : afaka manova izao tontolo izao ny ankizivavy raha tohanana amin’ny maha zatovo azy

Mbola raiki-tapisaka mandrak’ankehitriny, ny tsy fitovian-danja eo amin’ny zatovovavy sy ny zatovolahy. Antony mahatonga izany ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny hevi-draikitra maro isan-karazany misy eo amin’ny firenena. Afaka manova izao tontolo izao anefa ny zatovovavy raha tohanana amin’ny maha zatovo azy.

Niray feo ny firenena rehetra nandray anjara tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny vehivavy tany Beijing ny taona 1995, fa hamafisina sy hampiroboroboana ny zon’ny vehivavy sy ny tovovavy. Tapaka tamin’ny 19 desambra 2011, nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikambana fa ankalazaina isaky ny 11 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zazavavy. Natao hamahana ireo olana sedrain’ny tovovavy sy hampiroboroboana ny fanomezan-danja ny tovovavy ary ny fanajana ny zon’olombelona io fankalazana io.
Misedra olana mifandray amin’ny toetr’andro, fifandirana, fahantrana, ny fitadiavana tombontsoa ary ny tsy fitovian’ny lahy sy ny vavy ny ankizivavy amin’izao fotoana izao.
Manan-jo hanana fiainana azo antoka sy salama ary fanabeazana anefa ny zatovovavy, mandritra ny androm-piainany iray manontolo. Manana fahafahana hanova izao tontolo izao ny zatovovavy raha tohanana amin’ny maha zatovo azy. Manana hoavy mamiratra ho an’ny ampitso ihany koa. Mety ho lasa reny mpandraharaha, mpanoro hevitra, renim-pianakaviana mendrika ary mpitarika ara-politika sy ny maro hafa. Manana vina goavana hahafahana manatsara sy manova ny fiainam-pianakaviana sy ny firenena ny zatovovavy. Manampy amin’ny fiarovana ny zony amin’izao fotoana izao ary miantoka ny hoaviny ara-drariny izany. Mety havaha ny krizy mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny ady ara-politika, ny fitomboana ara-toekarena, ny fisorohana ny aretina sy ny maro hafa izy ireo. Mandrava ny sakana ateraky ny hevi-draikitra sy ny fanilikilihana ny vina apetraky ny zatovovavy. Indrindra manoloana ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo monina ao amin’ny vondrom-piarahamonina voahilikilika isan-karazany.

Mbola misedra krizy sy olana maro samihafa ny zatovovavy
Be loatra ny tovovavy ne­so­rina tamin’ny zony amin’ny alalan’ny famerana ny safidiny sy ny hoaviny. Mbola ahitana izany betsaka eto Madag­a­sikara, raha ny zava-misy. Miatrika fahasahiranana maro ny vehivavy sy ny tovovavy malagasy, misy fiantraikany amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana, ny tombontsoa ara-toekarena ary eo amin’ny fanapahan-keviny izany, raha ny tatitry navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Betsaka ny vehivavy lehibe (15 hatramin’ny 49 taona) tsy mahay ma­ma­ky teny sy manoratra. Mahatratra 55,8% izany any amin’ny faritra Menabe. Mise­dra fahasahiranana ihany koa ny vehivavy malagasy amin’ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana momba ny reny, ny firaisana ara-nofo ary ny fananahana. Mahatratra 45,8% ny taha momba izany. 31,1% ireo zatovovavy (15-19 taona) efa manan-janaka. Miteraka voka-dratsy eo amin’ ny fianarany, ny fahasalamana ary ny asa izany.
Miteraka sakana lehibe amin’ny fivelarana sy ny fahafahan’ny zatovovavy handray ny anjara toerany eo amin’ny fiainany sy ny fianakaviany ary eo amin’ny firenena iray manontolo mihitsy izany olana izany. “Vato misakana ny fandrosoana, mianjady amin’ny antsasaky ny olombelona eto ambonin’ny tany izany ka mila ovaina sy arenina, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fikambanana Zonta club of Madagascar sy ny Voix des filles.
Maro ny tsy fitoviana misy eo amin’ny zatovolahy sy ny zatovovavy. Anisan’izany, ny tsy fisitrahana mitovy ny zo handeha an-tsekoly na hanohy fianarana. Hatreo amin’ny fahazahoana ny fanadinana BEPC na CEPE ihany ohatra ny azon’ny zatovovavy atao, indrindra ho an’ireo monina any ambanivohitra. Heverina fa tsy dia tsara raha manana fahaizana ambony ny zatovovavy satria natokana hikarakara tokantrano sy ny maro hafa.
Eo koa ny fanilikilihana ny vehivavy amin’ny fanaovana asa sasany. Heverina fa tsy ma­havita asa mafy sy tsara oharina amin’ny lehilahy izy ireny.

Mino

Nohenoina ny feon’ireo ankizivavy

Nikarakara hetsika fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy ny fikambanana Zonta club of Madagascar sy ny fikambanana Voix des filles tetsy amin’ny IKM Antsahavola, omaly. Lohahevitra nankalazaina izany ny hoe: “Ry zatovovavy, iza moa isika?”. Samy nanana ny fandraisany sy ny fiheverany ireo fahafantarany ny tenany ireo zatovovavy tonga namaly ny hetsika teny an-toerana. «Henoina manokana ny feon’ireo ankizivavy satria mety misy olana manokana iainany, na misy herisetra mahazo azy na misy zavatra iriany sy ny maro hafa ka antony nanaovana ny hetsika sy nisafidianana ny lohahevitra», hoy Rasoamanandraibe Nomena, mpitarika ny Zonta club of Madagascar sady voatendry hanangana ny fikambanana Voix des filles. Tanjona ny hahafahana manampy sy mamaha ny olana mianjady amin’ireo ankizivavy ireo eto amin’ny firenena. Ahafahana mijery sy mamantatra ny zavatra tokony ho atao ao anatin’ny fikambanana Voix des filles ihany koa. Heverina fa fototra fanombohana ny fahalalana momba ny tena. Niompana tamin’ny fahalalana sy fandalinana ny lafiny dimy amin’ny maha olona ny fihaonana (vatana, saina, fo, fanahy, fiarahamonina).
Somary voafehy ny ankizivavy noho ny toe-tsaina sy ny kolontsaina misy eto amin’ny firenena. Betsaka anefa ny zavatra tokony hataon’izy ireo sy ny sehatra tokony hidirany, ary ny zavatra tokony hampisehoana ny maha izy azy. «Efa miova ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao, tokony hanova fomba fijery sy ny toe-tsaina ary fomba fanabeazana, indrindra ireo olon-dehibe manoloana izany», hoy hatrany izy. Fikambanana vitsivitsy misehatra amin’ny fanabeazana sy ny vehivavy no niara-nisalahy tamin’ny hetsika.

Nanatontosa : Mino
Sary : Tiana

Partager sur: