”Olan’ny jiro sy rano: rahampitso ( anio) ihany dia hitondra vahaolana ho an’Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Sasa-miandry ny vahoaka !
Nanisy fanamarihina mahakasika ny olana amin’ny jiro sy rano, ny filoha Rajoelina, omaly, ankoatra ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana «scanner» teny amin’ny Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka. Nambarany fa, nihaona sy nifampiraharaha ara-diplaomatika sy ara-toekarena ny tenany rehefa avy namonjy ny fivoriamben’ny Frankofonia tany Frantsa. «Fantako fa misedra olana amin’ny famatsiana jiro sy ny rano isika, satria mitombo ny isan’ny mponina, nefa tsy araka izany ny isan’ny fotodrafitrasa. Mametraka fanamby aho, fa tsy maintsy vitantsika ny vahaolana. Tsy matory andro aman’alina isika. Izao no teniko amin’ny minisitra, «aza itondrana olana aho, fa ento aty amiko ihany koa ny vahaolana». Koa, ampahafantariko sady hitafa amin’ny vahoaka aho, miaraka amin’ny minisitra tompon’andraikitra. Hanazava ny olana ary hitondra koa ny vahaolana. Rahampitso (anio) ihany aho dia hitondra ny vahaolana ho an’ny vahoakan’ Antananarivo, fa tsy miandry herinandro na amam-bolana na aman-taonany», hoy izy nandritra ny lahateniny.
Mitohy ny delestazy
Raha ny zava-misy, ambany ny haavon’ny rano any amin’ny tohodrano Andekaleka. Gropy roa amin’ny ireo efatra ihany sisa no mihodina. Anton’ izany, ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano 23 m3/s, raha tokony ho 48 m3/s. Miatraika any amin’ny famatsian-drano eny Mandroseza koa izany. Tsy ampy ny herinaratra mampiakatra ny rano. Ilana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka ny zava-misy iainan’ny Malagasy.
Nikasa ny handatsaka orana artifisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Jirama, saingy tsy tanteraka. Raha ny vinavinan’ny foibe mpamantatra ny toetr’andro, mety hilatsaka ny orana amin’ny faran’ity herinandro ity, na amin’ny herinandro ho avy io.
Mainka nahery vaika ny delestazy, omaly. Adiny roa hatramin’ny adiny telo, sady tsy voafetra indroa intsony. Mihoatra lavitra ny fiverimberenan’ny fahatapahana ny maraina, antoandro, ary amin’ ny alina.
Njaka A.