Fahatapahan-jiro sy rano: fahavoazana ho an’ny vahoaka sy ny fandraharahana rehetra

Fahatapahan-jiro ma­tetika amina tambajotra iray, miampy tsy fisian’ ny rano amin’ny toerana sasany ny mahalaza ny “délestage”. Ahi­tana izany ny eto an-dReni­vohitra sy ny manodi­dina. Miha mahery vaika izany tato ho ato, miteraka fahasorenana sy olana isan-karazany, toy ny fatiantoka, fahasimban-javatra.

Nanomboka tamin’ny fe-potoana fiasana voalohany ny fanjaka tarihin’ ny filoha Rajoelina Andry, dia efa nampanantena fa ho foanana tanteraka ny “délestage” na ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy. Eto Antanana­rivo fotsiny, ohatra, misedra izany isan’andro ny olona. Mbola miampy fahatapahan-drano amin’ny toerana sasany izany. Manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano tsy misy farany, maneho ny fitarainany sy ny fahasorenany ny mpanjifa. Nilaza ny fanjakana fa hamaha ny olana, saika efa isan’andro vaky. Nanome toky ny minisiteran’ny Angovo sy ny Jirama fa hitondra vahaolana hain­gana. Tsy sasatra mivory ny tomponandraikitra rehetra, midina an-kianja mijery ny tena zava-misy. Hita fa antitra ny ankamaroan’ny milina sy ny fitaovana ao amin’ny Jirama, izay miteraka fahatapahana matetika.
Voaporofo, tsy araka ny tokony ho izy ny tolotra. Ohatra, ambany ny tanjaky ny herinaratra ka ifandimbiasana amin’ ny faritra maro ny fahatapahan-jiro. Maharitra ora roa raha kely indrindra izany. Rano sady tsy ampy no maloto. Amina faritra rehetra eto amin’ny Nosy, misedra izany daholo ny mponina, indrindra ireo mpivarotra, mpanao volo, mpandrafitra, orinasa sy indostria rehetra.

Tsy maharaka
ny famatsiana
Tsy maharaka ny fama­tsiana herinaratra na rano. Mahazo laka ny halatra jiro sy rano, miampy halatra solika
ao amin’ny Jirama, araka ny voalazan’ireo mpanara-maso sasany ao amin’ny Jirama ihany. 30 % hatramin’ny 40 % be izao ny tokantrano hita misy karazana halatra eto Antana­narivo fotsiny. Fotoana elaela, misy aman-taonany angamba, hitan’ny mpiasan’ny Jirama sasany ny halatra herinaratra sy solika. Mpiasa avy ao amin’ ny Jirama ihany no mahay tsy mampihodina firy ny “compteur” nefa ny famatsiana mandeha ihany.
Etsy andaniny, ireo fitao­vana sy milina samihafa efa antitra ny ankamaroany. Mora ho an’ny hafa ny mampiasa an’ireo. Olana ho an’ny mpanjifa maro koa ny jiro tapaka matetika, nefa ny vola aloa mitombo, tsy miova na miakatra mihitsy aza ny fandaniana.

“ … Aina ny rano”
Olana ny famatsiana jiro sy rano, manerana an’i Mada­gasikara. Vidina lafo dia lafo ny jiro sy rano, izay azo lazaina fa filana fototra antoky ny fahasalamana. Amin’izao, lafo ny rano iray daba mavo, manjaka ny risoriso amin’ny rano amin’ ny toerana sasany. Vokany, tsy afaka midio ara-dalàna ny olona, manahirana ny fikarakarana sakafo…. “Mbola azo leferina kely ihany ny herinaratra fa ny tsy fisian-drano, ma­mono mihitsy satria aina ny rano“, hoy ny renim-pianakaviana iray.

Fatiantoka goavana
Tsy vitsy ny orinasa madinika mizaka fatiantoka noho ny fahatapahana matetika. Saika very vola isan’andro izy ireo rehefa tapaka ny herinatra. Simba daholo ny akora fampiasa, simba hatramin’ny milina. « Ny Jirama tsy mian­toka na kely aza, izy indray no mampitahotra ny mpanjifany amin’ny fandoavana 5% am­boniny raha misy fahatarana kely. Ny fahatapahana avy aminy, tsy asiany ora sy tsy misy fetra », hoy ny mpandraharaha mitantana orinasa madinika iray. Fatiantoka tanteraka ny an’ny orinasa madinika tantanin’ireo mpiasa tena: mpandrafitra, mpanao fiara , mpanao volo, mitana “cybercafe”, sns. « Tsy maintsy ma­nana groupe izy ireo raha tiana hitohy ny asa, izay fandaniana amboniny amin’ny vidin-tso­lika . Raha tokony hiasa ora 10 isan’andro, ora 3 na 2 sisa miasa, indraindray tapaka in­droa ny jiro anatin’ny iray andro. Ny hofan-trano tsy maintsy aloa, hetra, karaman’ny mpiasa’’, hoy ny mpandraharaha iray. “Jerena fotsiny raha tonga ny mpanjifa, jiro tapaka. Fatian­toka goavana no miandry”, hoy ihany izy.

????????????????????????????????????

Fanoitran’ny toekarena ny herinaratra matanjaka

Hisy akony tsara sy maharitra amin’ny mpanjifa, tosika iray lehibe ho an’ny toekarena ny fisian’ny herinaratra matanjaka satria mampirisika ny mpandraharaha hanitatra ny tetikasany. Tsy maintsy misy fiantraikany tsara ho an’ny mpanjifa ny fampiasana angovo azo havaozina. Mitady vahaolana ny Jirama hiadiana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra matetika. Jerena amin’izany ny vahaolana amin’ny lafiny teknika sy fitantanana. Mitombo isa ny mponina, mitombo koa ny filana jiro sy rano, indrindra amin’ny tanàn-dehibe. Momba ireo fitaovana sy milina samihafa, atao ny fanamboarana sy fanavaozana tokony hatao. Fanavaozana mitaky volabe, ireo milina mandeha amin’ny solika any amin’ny faritany. Harena eto Madagasikara ny fisian’ny loharanon-karena voajanahary hamokarana herinaratra azo havaozina, toy ny masoandro sy ny rivotra ary ny rano. Mila fampiasam-bola, atao laharam-pahamehana, daholo ireo. Jerena koa ny fampiasam-bola hampaharitra ny tetikasa.

Mitaky fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina
Ilaina ny fanokafana ny sehatra ho an’ny tsy miankina fa tsy vitan’ny fanjakana irery intsony. Manampy izay koa ny fanofanana mpiasa hahay hikojakoja ireo fitaovana samihafa sy ny fanabeazana ny olom-pirenena hahay mikajy ireo fitaovana sarobidy. Ilaina ny fampiasam-bola miaraka amin’ny fanavaozana ireo fitaovana samihafa. Eo koa ny fanavaozana ny fitantanana hisian’ny mangarahara. Sarotra ny lalana nefa raha arahina finiavana sy faharetana, ho tojo ihany ny tanjona dia ny mba hisian’ny herinaratra sy rano tsy tapaka.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: