Voasaringotra ho miray tendro amin’ny asan-jiolahy ao Toamasina ny zandary telo lahy am-perinasa any an-toerana. Voasambotry ny polisin’ny Fip ny zoma teo ka natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo izy ireo.
Miara-miasa sy mpamatsy basy ny jiolahy manao ny asa ratsy ao Toamasina ireto zandary telo vaosambotra ireto, raha ny fanazavana voaray. “Efa hatramin’ny volana avrily lasa teo, somary niakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina”, hoy ny Tonian’ny fampanoavana, i Vahiny Yvi Sandro, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy teo, tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Tonga nanotrona azy tamin’ izany ireo manam-boninahitra eo anivon’ny fitandroana ny filaminana. Anisan’izany, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, kaomandin’ny Fip Toamasina. Marihina fa efa nampitandrina ny fisian’ny mpitandro filaminana miray tendro sy ao anatin’ny asan-jiolahy, nandritra ny fivorian’ny OMC sy ny sefo fokontany ary ny mpandraharaha tany an-toerana, izy.
Efa nikasa hanao fanafihana ireo jiolahy miara-miasa amin’ireto zandary telo voasambotra ireto, ny 30 septambra teo fa tsy raikitra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa nanao fanarahan-dia hatrany ny polisin’ny Fip manao fanamiana sivily tamin’izany. Fanampin’izay, efa niomana saika hanao fanafihana ihany koa izy ireo ny 04 oktobra fa mbola tsy raikitra ihany. Vokany, nifanao fotoana teo anoloan’ ny trano fandraisam-bahiny iray “cité de douanes” ireto zandary sy ireo jiolahy miray tendro aminy, ny 11 septambra teo. Nifanolotra basy sy namepetra ny fotoana hamerenana izany ary hizarana ny vola voaroba izy ireo nandritra izany. Fantatra nandritra ny fihaonana fa any Ankirihiry ny fanafihana mitam-piadiana. Mbola nisy fihaonana farany anefa izy ireo tany Valpinson taorian’io andro io. Nisy ny fidinana ifotony sy ny fanaraha-maso nataon’ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nandritra io fotoana io. Vokany, voasambotra tamin’ izany, ny sivily iray sy zandary am-perinasa roa. Tratra niaraka tamin’ny fitaovana rehetra fampiasan’izy ireo, toy ny matraque, basy poleta efa nisy bala dimy. Nitohy ny fikarohana sy vela-pandrika nataon’ny polisy ka voasambotra indray ny zandary fahatelo miray tendro amin’ny asan-jiolahy.
Tsy misy toerana
ho an’ny olona ratsy
Nifampizara angom-baovao hatrany ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Efa nilaza izy ireo fa misy zandary anatin’ny raharaha fanafihana mitam-piadiana. “Tsy misy toerana ho an’ olon-dratsy aty Toamasina, tsy azo ekena raha toa ka mpitandro filaminana natao ho tandroka hiaro ny vozona, hiaro ny vahoaka sy fananany indray no manao asa tsy mendrika”, hoy ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. “Bravo ho an’ny Fip, mbola tsy hifarana eo ny fisamborana, fa mbola misy naman’izy ireo maro miriaria any ary efa fantatra ny anarany”, hoy hatrany izy. Nambarany fa ny mpitsara mpanao famotorana no hamaritra ny sazy sy ny fampidirana am-ponja ireto efa voasambotra ireto.
Mampiasa basy poleta sy vodibala ireo jiolahy
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany Ampasimazava, ny 27 avrily lasa teo. Fantatra tamin’izany, fa nampiasa basy poleta fohy sy nahitana vodibala 8 milimetatra ireo jiolahy tamin’izany, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny niharam-boina. Niainga teo ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso nataon’ ny mpitandro filaminana mba hanenjehana ny jiolahy manao ny asa ratsy ao an-toerana. Ankoatra izay, nitrangana fanafihana mitam-piadiana olona iray avy naka vola tamin’ ny banky ihany koa tany an-toerana, taorian’io. “Mbola nahitana basy poleta fohy sy 8 mm ihany koa ny vodibala hita, raha ny filazan’ny niharam-boina”, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsy fialokalofan’olon-dratsy ny zandarimaria
Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Tonian’ny fampanoavana, i Vahiny Yvi Sandro, ny alatsinainy teo, tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Nihaona tamin’ny kaomandim-paritanin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina vaovao, ny jeneraly Razafialison Cyr avy eo. Vao nahavita ny famindram-pitantanana tamin’ny kolonely nisahana ny andraikitra vonjimaika, ny zoma teo izy, raha ny fanazavana nataony. « Tsy azo ekena ny zandary manao asan-jiolahy satria mifanohitra amin’ny teny fanairana ny zandary hoe : Miaro ho antoky ny fampandrosoana ifotony (Mafi) izany », hoy ny kaomandim-paritanin’ ny zandarimariam-pirenena Toamasina vaovao, ny jeneraly Razafialison Cyr. Nambarany hatrany fa namanao ny zandarimariam-pirenena, noho izany, tsy natao hialokalofan’ny olon-dratsy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Hokarohina izay zandary miara-miasa amin’ny jiolahy
“Tsy maintsy karohina avokoa ny zandary miray asa amin’ ny jiolahy raha ny resaka nataony tamin’ny Prokirera tany an-toerana”, hoy hatrany izy. Ataovy avokoa ny fikarohana rehetra satria mila diovina ny zandary, raha ny fanazavany hatrany. Nohazavainy fa aleo hongotana izay misy ifandraisany amin’ iny raharaha fanafihana iny. “Vonona ny hanolotra azy ireo eo anivon’ny fitsarana izahay, raha fantatra hoe iza izy ireo”, hoy hatrany izy nanamafy. Marihina fa naharitra ora iray sy 45 minitra ny fifampiresahan’ny mpanao gazety taminy.
Nanatontosa : Sajo