Fampandrosoana eny ifotony : nahitana atrikasa 10 ny tetikasa Rindra tany Analanjirofo

Anisan’ny faritra nisitraka atrikasa maro avy amin’ny tetikasa Rindra ny faritra Analanjirofo. Nahazo vahana, nandritra izany, ny fampiofanana ireo andrimpanjakana maro samihafa any an-toerana.

Efa nahatratra 10 be izao ny atrikasa tontosan’ny tetikasa Rindra tao amin’ny faritra Analanjirofo, hatramin’ny 12 oktobra 2024 teo. Nahitana distrika telo: Fe­noarivo Atsinanana, Vavate­nina ary Soanierana Ivongo. 19 tamin’ireo kaominina 71 no nisitraka izany tao anatin’ireo disitrika telo voalaza ireo. Niompana betsaka tamin’ny fampiofanana ny ben’ny Ta­nàna sy ny mpitambolan’ny kaominina ary ireo misahana ny sora-piankohonana ny atrikasa valo tamin’izany. Tan­jon’ny tetikasa ao amin’ny faritra Analanjirofo ny hikaroham-bahaolana hampandrosoana ireo mponina eo anivon’ny kaominina sy ny faritra ary ny disitrika. Ankoatra izay, « hiezaka hitady fiaraha-miasa hatrany mba hanamafisana ny fifampitondrana eto Madaga­si­kara », hoy i Jean Richard, mpandrindram-paritra.
Ho an’ny atrikasa ny talata 8 hatramin’ny 12 oktobra teo, natao tao amin’ny foiben-toeran’ny Unicef Sahavola Fe­noarivo Atsinanana. Nomena lanja, nandritra izany, ny fampiofanana ireo olom-panjakana avy amin’ny prefektiora, faritra, disitrika ary ny talem-paritra misahana ny raharaham-panjakana. Anisan’ny nodinihina, tamin’izany, ny lohahevitra momba ny fehezan-dalàna ho fanajana ny hasin’ny asa ao amin’ny raharaham-panjakana. Eo koa ny fitondran-tena mendrika ho an’ny mpiasam-panjakana, izay fehezin’ny didim-panjakana laharana fah 2003-1158, tamin’ny 17 desambra 2003. Voadinika tao ny fitovian’ny olom-pirenena, ny fanarahan-dalàna, ny fitohizan’ny raharaham-panjakana, ny fahaiza-manao araka asa, ny fahatongavana ara-potoana amin’ny toeram-piasana sy ny maro hafa.

Fanajana ny tenany sy ny hafa

« Antom-pisian’ny mpiasam-panjakana ny fanajana ny tenany, ny fananana fitsipi-piainana sy fitondran-tena tsara eo amin’ny sehatra iandraiketany », hoy ireo mpampiofana efatra mianadahy avy aty Antananarivo, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana, nandritra ny fiofanana. Fehezina amin’ny teny tsotra hoe : « adidy sy andraikitry ny fanjakana ankapobeny, ny mpiasam-panjakana, ny fandraisana ireo olona mila azy eo anatrehan’ny andrimpanjakana”.

Fampiasam-bola mitentina 15 551 583 Ariary

Vatsian’ny vahoaka amerikanina vola, mitentina 15 551 583 Ariary, ny tetikasa Rindra. Maharitra efa-taona ny fanatanterahana ny asa ary hifarana ny volana septambra 2026 izany. Misitraka izany ny faritra dimy eto Ma­dagasikara: ny faritra Ana­lamanga, Sava, Menabe, Ana­lanjirofo ary Atsinanana. Ahitana kaominina 100 ao anatiny. Miantse­hatra sy ma­natanteraka ny asa kosa ny avy amin’ny Pnud, amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fampahafantarana ary fampianarana ny vahoaka eny ifotony. Nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana tsy miankina Ready-Set , izay misahana ny fampitaovana rehetra, nahafahana nanantanteraka ny fampiofanana rehetra.

Hifantoka amin’ny fampandrosoana

Hifantoka amin’ny sehatra telo samy hafa ny tetikasa Rindra, raha ny fanazavana voaray. Sehatra voalohany hi­ompanana goavana ny sehatry ny fanatsarana ny traikefa amin’ny alalan’ny fampiofanana. Hisitraka izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny any anivon’ny kaominina, ny fametrahana sy fanatsarana ny fisitrihan’ny isam-batan’olona ny zony, ny fisitrahan’ny rehetra ny mangarahara amin’ny sehatry ny asa. Voakasik’izany avokoa ny eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Eo ihany koa ny tokony hisian’ny fitsarana tsy mitanila, atokisan’ny vahoaka. Tafiditra amin’izany ny raharaha mahakasika ady tany, ny sora-piankohonana sy ny maro hafa. Ankoatra izay, hatsaraina ihany koa ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka, ny fisitrahana fotodrafitrasa vaovao mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.
Sehatra faharoa hifantohana ny mahakasika ny fitantanana sy ny fidiram-bola mitodika amin’ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka sy ny vaninandro ankehitriny. Sehatra fahatelo farany ny fanamafisana ny fandraisan’andraikitra eny anivon’ny kaominina tsirairay. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misitraka tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra, fametrahana fandriampahalemana. Ezaka hotratrarina amin’ny tetikasa ny hananan’ny kaominina fizakan-tena eo amin’ny lafiny fitantanana maharitra, mifandraika amin’ny filan’ny mponina ao aminy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: