Toliara : vehivavy 700 nisitraka fitiliana momba ny homamiadana

Nahasarika vehivavy maro ny hetsika “October Rose” tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny alahady teo. Hahazo fitsaboana sy fandraisana an-tanana maimaimpoana ireo vehivavy fantatra sy voatily fa misy aretina homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza nandritra ny hetsika.

Nikarakara hetsika “Oc­tober Rose” ireo vehivahy mpandraharaha ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana (FEA), ny alahady lasa teo. Naharita telo andro ny fannanterahana izany. Natao indrindra ho fanampiana ireo vehivavy monina sy mipetraka any amin’ny faritry Toliara. Vehivavy 700 ireo nisitraka ny hetsika nandritra ny telo andron’ny hetsika, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny mpikarakara.
Fanao isan-taona izy ity, izay hanaovana fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranon-jaza ho an’ny vehivavy. Maro ny hetsika nanamarihana izany. Natomboka tamin’ny diaben’ny firaisankina nanerana ny tanàna ny andro voalohany. Niditra tamin’ny fanentanana sy fanaovana fitiliana maimaimpoana kosa izany, ny roa andro manaraka.
Nandritra ny diabe, nandray anjara tamin’izany ireo fikambanam-behivavy rehetra tany an-toerana. Nandray anjara tamin’izany, ihany koa ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy teo anivon’ny faritra. Niainga teo amin’ny kily soafilira ary nifarana teny amin’ny jardin de la mer izany. Avy eo, notohizana tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny tomponandraikitra ny fanokafana ny hetsika. Nitohy tamin’ny fanaovana fitiliana sy fanentanana ireo vehivavy ny fotoana.
Raisin’ny fikambanana an-tanana ireo vehivavy nahitana ny aretina

Raha tsiahivina, 200 ireo vehivavy natao fitialiana tamin’ny taon-dasa, nandritra ny andiany voalohany. Nahitana soritr’aretina tamin’izany, ny vehivavy dimy. Noraisin’ny fikambanana sy ny mpiara-miombon’antoka aminy an-tanana ireo nahitana soritr’aretina ireo.

Ho an’iny hetsika, andiany faharoa iny, hoentina hotsaboina any Fianarantsoa ny vehivavy voamarina fa voan’ny aretin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hiantohan’ny fikamabanana hatrany ny fandraisana an-tanana ireo marary hatramin’ny fitsaboana azy. Fandraisan’anjaran’ny marary kosa ny fiantohana ny saran-dalana mandroso sy ny miverina, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjon’ny fikambanana FEA ny hampihena sy handrava ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy misitraka fitsaboana raha toa ka voan’ny aretina homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izy ireo. Amin’ny ankapobeny, lafo ary mandany vola ny fitsaboana ny aretina homamiadana mahazo ny vehivavy na eto Madagasikara na any ivelany. Olana ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy Malagasy, araka izany, ny tsy fananam-bola natokana ho amin’izany, na dia mahasoa aza. Raha ny zava-misy, tsy sahy manao fitiliana ny anakamaroan’ny vehivavy noho ny tahotra ho voan’ny aretina. Manampy izany koa, ny tsy fananam-bola hahafahana mitsabo ny aretina, raha ny fanadihadiana natao. Vokany, lasa vesatry ny fiaraha-monina sy ny ankohonany ary ny fianakaviana iray manontolo ireo vehivavy mararin’ny ho­mamiadana eto amin’ny firenena, rehefa tsy afaka mitsabo tena. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga ny fikambanana hikarakara ny hetsika.

50 taona matetika ireo vehivavy voan’ny aretina

Voan’ny aretina homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ireo vehivavy latsaky ny 50 taona maneran-tany, raha ny antontanisa navoakan’ny manam-pahaizana farany. Azo sitranina soa aman-tsara ny aretina raha voatliy mialoha. Tsy tsara, araka izany, ny fanaovana dokotera tena ho an’ny vehivavy fa tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany vao mahatsikaritra zavatra hafahafa amin’ny vatana, raha ny fanazavan’ny mpitsabo sy ny mpikarakara ny hetsika. Volana natokana ho fanentanana ireo vehivavy hazoto hanao fitiliana mahakasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny volana oktobra tahaka izao.

Fanentanana ny vehivavy handraharaha
Betsaka ny fanentanana natao ho an’ny vehivavy nandray anjara tamin’ny hetsika, nandritra ny telo andro. Mba hahafahana misoroka ny aretina sy hahafahana mitily ny aretina ary ahafahana mitsabo ny aretina mialoha. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanentanana ireo vehivavy hiroso amin’ny sehatry ny fandraharahana. Tanjona ny hahatonga azy ireo tsy hiankindoha loatra amin’ny lehilahy eo amin’ny fiainana fa mba hahaleo tena.
Ho an’ireo marary, raisina eo anivon’ny tobim-pahasalamana any Tanambao ireo vehivavy nahitana trangan’aretina, raha vita any an-toerana ny fitsaboana. Nitarika ny hetsika “October Rose” tany an-toerana, ny vadin’ny Governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, Tovondrainy Ranoelison Armelina.

Nanatontosa : CMS

Partager sur: