Famoahana setroka tafahoatra: 2 000 isan-taona ny fiara voasintona taratasy eto Antananarivo

Miaina tanteraka ao anatin’ny fahalotoan’ny rivotra ny firenena maro ma­neran-tany, tato anatin’ny taona maromaro izay. Voakasik’izany, indrindra ny renivohitra, noho ny habetsaky ny fiara sy kodiarandroa mifamezivezy. Ani­san’ny miaina iza­ny koa ny eto Ma­dagasikara, anisany Antana­narivo.

Mahatratra 91% ny mponina maneran-tany no miaina miaraka amin’ny rivotra maloto. Ambony kokoa ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’ny volana septambra, hoy ny foibe famantarana ny toetr’andro. Antony mahatonga izany ny fahabetsahan’ny fiara sy kodiarandroa mifamezivezy mandeha solika sy mamoaka setroka maloto.
Manodidina ny 10 000 isan-taona ny fiara avy any ivelany miditra eto Madaga­sikara. Fiara mandeha amin` ny gazoala avokoa ny 60% amin’izy ireo. Tsy maintsy mandalo fitsirihana teknika eny anivon’ny Securité routière avokoa ny fiara maherin’ny dimy taona. Voafehy ao anatin’ny fehezan-dalàna 6941 /2000, tamin’ny 6 jolay 2000, ny famehezana ny setroky ny fiara. “Tsy maintsy arahi-maso avokoa ny setroka rehetra mivoaka amin’ny fiara mba hahafahana miady amin’ny fahalotoan’ny rivotra”, hoy ny talen’ny DGSR, Général de division, Reribake Jeannot, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa misy karazany ny setroka mivoaka amin’ny fiara, ao ny setroka mainty, manga, ary gris. “Anisan’ny fototry ny olana mahatonga sy mahabe ny setroka ny fiara iray ny kalitaon’ny solika. Eo koa ireo mpampiasa solika izay mampifangaro ny gazoalina sy ny petrol”, hoy hatrany izy. Anisan’ny fepetra raisin’ny DGSR manoloana ireo fiara be setroka ny fisintomana ny fitanana an-tsoratra ireo fiara avy natao fitsirihana teknika. “Sintomina avy hatrany ny proces -verbal de visite technique raha tena be setroka be ilay fiara mandra-pahavita ny fanamboarana”, hoy hatrany izy. Manodidina ny 2000 isan-taona eo ireo fiara be setroka voasintona ny taratasiny, raha ny tatitra voaray avy amin’ny DGSR hatrany.

Miha mitombo ny setroka avoakan’ny moto
Efa manomboka betsaka ihany koa ny moto, kodiarandroa sy kodiarantelo, eto an-drenivohitra sy manerana ireo renivohi-paritany eto amin’ny Nosy. Manodidina ny 15 000 ny isan’ny Bajaj ao Toama­sina, raha ny tatitra voaray avy amin’ny DGSR hatrany. Efa manomboka miteraka fitohanana sy olana hafa, indrindra amin’ny tsy fandriampahalemana, ankoatra ny setroka avoakany izany, raha ny fanazavana hatrany. Hatramin’izao, tsy mbola mandalo fitsirihana teknika ny moto. “Tokony ary tsy maintsy hatao fitsirihana teknika ireo kodiarandroa sy kodiarantelo ireo raha toa ka te hiady amin’ny setroka isika”, hoy hatrany ny talen’ny DGSR. Tsy ady amin’ny setroka irery fa ahafahana manana antontanisa sy mamantatra ny isan’ny moto ihany koa izany.

Mangataka fiaraha-miasa amin’ny minisitera mpiahy
Nambarany fa mbola tombamaso ny fijerena ny kali­taon’ny setroky ny fiara hatramin’izao fa tsy mbola mampiasa ny “appareil détecteur de gaz” isika. Mangataka fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana izy ireo mba hahazoana io fitaovana io. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny setroka eto Madagasikara. Raha mihoatra ny dimy taona ny fiara iray, tokony hanana antontan-taratasy telo. Eo ny Carte grise, ny Visite téchnique ary ny Assurance.

Vahaolana ny fampiasana fitaterana elektrika

Noho ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiakaran’ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra maneran-tany. Vahaolana ny fanentanana ny olona hampiasa ny fiara sy moto elektrika eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny fitaterana maharitra sy manaja ny tontolo iainana izy ireny. Amin’ny ankapobeny, efa tafalatsaka ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavana sy fankafizana ny fitaterana elektrika, raha ny fanadihadiana natao. “Tsy mandany vola amin’ny fividianana solika intsony rehefa mampiasa azy io fa chargena fotsiny dia efa mahavita lalana amina kilometatra maro”, hoy i Rado, olon-tsotra mpampiasa fiara elektrika. Ankoatra izay, paikady napetrak’i Madagasikara ny hanenana ny tahan’ny fandotoana rivotra. Amin’ny alalan’ny tondrozotra nasionaly momba ny fitantanana ny fandotoana.

Mahatonga aretina
Miteraka voka-dratsy goavana eo amin’ny fiainan’ny zanakolombelona, amin’ny ankapobeny, ny fahalotoan’ny rivotra. Na eo amin’ny fahasalamany, ny tontolo iainany, na eo amin’ny lafiny ara-toekaren’ny firenena koa aza. Mahatonga aretina sy fahafatesana ho an’ny ankamaroan’ny olona ny fifohana rivotra maloto, raha ny fanamarihan’ny mpitsabo. Raha ny antontanisa voaray hatrany, azo avy
amin’ny fifohana rivotra maloto avokoa ny 22% ny fahafatesan’ny olona maneran-tany. Nitombo avo telo heny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’izao fotoana izao, raha ny fandrefesana farany nataon’ny Organisation mondiale de la santé (OMS).

Nanatontosa : Mino

Partager sur: