Tsy fahasalaman’ny saina : mety hiafara amin’ny famonoan-tena raha tsy voatsabo

Anisany mahatonga ny tsy fahasalaman’ ny saina ny herisetra ara-tsaina, ny tsindry amin’ny asa sahanina ary ny adin-tsaina mahazo ny olona iray. Man­jaka ny tranga antsoina hoe: “burn-out”, izay mety ha­hatonga fahaketrahana ara-tsaina sy famonoan-tena.

Mbola vitsy ireo olona mahafantatra ny tsy fahasalaman’ny saina sy ny manodidina azy, raha eto Madagasikara, noho ny tsy fahampian’ny fampahafantarana izany. Eo koa ny mbola hamaroan’ny herisetra ara-tsaina mpahazo ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny ankizy. Antony iray mety ha­hatonga sy hitarika any amin’ny tsy fahasalaman’ny saina anefa izany zava-misy izany.
Ankoatra izay, anisan’ny tranga tsy fahasalaman’ny saina mpahazo ny ankamaroan’ny olona ny atao hoe “burn-out”, raha ny fanadihadiana natao. « Amin’ny ankapobeny, miseho amin’ny endrika burnout ny maro amin’ny tsy fahasalaman’ny saina miseho sy mpahazo ny olona amin’ izao fotoana », hoy Dr Razafindralambo Kiady Rivo, mpandray an-tanana io tranga io eto Madagasikara, raha nanaovana fanadihadiana. “Tena iharan’io tranga io ny mpitsabo misehatra eny anivon’ny fahasalamana sy ireo olona miasa eny anivon’ny orinasa vaventy”, hoy hatrany izy. Maro ny antony mahatonga izany, eo ny faharerahana ara-tsaina noho ny habetsaky ny asa raisina sy atao, ny fahavitsian’ny mpitsabo mandray an-tanana ny marary, ny fiankinan’ny saina amin’ny fitsaboana ireo aretina maro, ny hamaroan’ny tsindry mahazo ny olona any am-piasana… Nambarany fa ahitana olona manatona mpitsabo mandray an-tanana mahakasika izany hatrany isan-kerinandro. Maro amin’izy ireny ny olona miasa eny anivon’ny orinasa vaventy. Miseho amin’ny endriny maro io tranga io, raha ny fanazavany hatrany, anisan’izany ny harerahana sy ny fahatsapana fa leo any am-piasana, kizitin-dava, marary an-doha lava, tsy mahinan-kanina, mety ho tonga any amin’ny tsy fahitana torimaso intsony aza. Vokany, rehefa voan’izy io ny olona iray dia lasa tsy mamokatra intsony na tsy mankafy ilay asa niandraiketany intsony.
“Raha tsy voatsabo ny burn-out, mety ho tonga hatrany amin’ny fahaketrahana ara-tsaina sy hiafara amin’ny famonoan-tenan’ny olona mitondra azy. Azo atao ny manatona mpitsabo raha misy fisehoan’aretina. Anjaran’ny mpitsabo kosa ny manoro lalana amin’ny tokony hatonin’ilay marary, mba hahafahana misoroka amin’io aretina io, zavatra tokony hatao ny fahaizana maka fotoana hakana aina amin’ny asa, toy ny congé sy repos”, hoy hatrany ny Dr Razafindralambo Kiady Rivo. Nambarany fa ilaina ihany koa ny fahaizana miteny hoe tsy vita ny asa raha be loatra ireo tsindry mahazo.

Psychiatre iray mandray olona 5 hetsy sy 1tapitrisa
Tsy mihoatra ny 30 ny isan’ny psychiatre mandray an-tanana ireo marary ara-tsaina eto Madagasikara, amin’izao fotoana, raha ny antontanisa voaray. Antony mahavitsy azy ireo ny fankanesan’ny sasany any ivelany sy ny havitsian’ny olona raisina miasa eto an-toerana. Iray na roa isan-taona eo ireo psychiatre voaray miasa, raha ny fanavazana voaray hatrany. Raha ny fenitra, tokony handray olona manodidina ny 1000 ny mpitsabo iray. Nambarany fa mandray olona hatramin’ny 5 hetsy sy 1tapitrisa eo ny psychiatre iray. Nambaran’ity mpitsabo ity hatrany fa tsy araka, noho izany, ny asa rehefa tena betsaka ireo marary manatona azy ireo.

Mbola manjaka ny herisetra ara-tsaina

Nankalaza ny fahadimy taona nijoroany teto an-toerana ny fikambanana Omena. Nisy, araka izany, ny hetsika fanamarihany izany tetsy Mahamasina, ny sabotsy teo. Nomen-danja, nandritra izany, ny hetsika fahasalamana ara-tsaina. Nampahafantarina ihany koa ny momba ny herisetra ara-tsaina mpahazo ny olona sy ny voka-dratsy aterak’izany. Manodidina ny 80% ny zaza malagasy no fantatra fa efa niharan’ny herisetra ara-tsaina, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef tamin’ny taona 2019. Maro ny karazana herisetra mety hahazo ny olona iray, anisan’izany ny fanambaniana, ny fandrahonana ara-tsaina, ny teny marary avoakan’ny vava, sy ny maro hafa. “Lasa miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiainan’ilay olona iray izany, lasa manakana ny fivelarany amin’ny maha izy azy ihany koa”, hoy Razakantoanina Ando, mpiandraikitra nasionalin’ny fikambanana Omena. Mety ho hita taratra amin’ny fomba fihetsika sy ny fiainan’ny olona ny herisetra mianjady aminy, toy ny endrika malahelo lava, sahirana mifandray aman’olona. Mety misy koa ireo olona manafina izany amin’ny endrika ivelany, toy ny fitsikitsikiana, fandeferana sy ny maro hafa. “Zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny olona mba hahafantarana ny marary izay kobonin’ilay olona any anatiny any”, hoy kosa Ramparany Ray, mpikarakara ny hetsika. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fahaizana mamehy ny fihetseham-po, satria misy zavatra takin’ny vatana foana ao ambadiky izany, hoy hatrany izy ireo. Vinan’ity fikambanana ity ny hampahafantatra ny olon-drehetra eto amin’ny firenena ny mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina sy hanentanana azy ireo hanafoana ny karazana herisetra ara-tsaina.
Mbola miaina ao anatin’ny karazana herisetra maro samihafa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: