Fahazaran’ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao ny fihinanana siramamy. Mahasoa ny vatana izy io satria anisan’ny mamokatra angovo entin’ny vatana miasa. Anisan’ny mahatonga aretina homamiadana eo amin’ny vatana ihany koa anefa ny fihinanana azy be loatra.
Nampidirina tao anatin’ny sakafon’ny olona tany Eoropa ny siramamy, taorian’ny taonjato faha-18. Akora fototra nampiasain’ny olona tamin’izany ny zavatra mamy azo avy amin’ny tantely sy ny fary, toy ny tany Nouvelle-Guinée, Asie, Moyen-Orient, Amerika sy ny maro hafa. Tamin’ny taona 1757, taonjato faha-18, no nanomboka namokatra siramamy avy amin’ny zavamaniry betiravy ny firenena sasany.
Manome angovo ho an’ny vatan’olombelona sy manatsara ny fiasan’ny taolana ny fihinanana mamy. Anisan’ny antoka iray mampihetsika ny vatana, indrindra ho an’ny hozatra, ny atidoha, ny fo ary ny liomena anatin’ny ra ny siramamy. Voakasik’izany indrindra ny siramamy natoraly na azo avy amin’ny zavamaniry, izay ahitana otrikaina maro ao anatiny, toy ny “glucides complexes”, fibre, glycogène ary amidon. Manana anjara toerana lehibe amin’ny asa fandevonan-kanina, mifehy ny fahazotoan-komana ary mampiroborobo ny fahazoana torimaso izy io. Siramamy voajanahary na natoraly ny fiantso azy. Ankoatra izay, ahitana gliosida tsotra, glucose, fructose ary galactose ihany koa ny siramamy. Tompon’antoka amin’ny fanomezan-tsiro ho an’ny karazan-tsakafo izy io, amin’ny ankapobeny.
Tena ilain’ny vatan’olombelona ny fihinanana siramamy satria mamokatra angovo. Mampirindra ny fiasan’ny vatana, ahafahany mihetsika sy mamita ny karazana asa atao izany. Miteraka voka-dratsy ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinanana siramamy be loatra. Voakasik’ izany indrindra ny siramamy tsy natoraly fa novokorina manokana ahitana akora simika. Anisan’ny mahatonga sy mampirongatra ny homamiadana, ny diabeta ary ny fiakaran’ny tosidra avo izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo.
Tsy mijery ny hatsaran’ny sakafo intsony fa manenjika tsiro fotsiny sisa ny ankamaroan’ny olona mahandro sakafo, amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Raha ny fanadihadiana natao, anisan’ny hitiavan’ny olona mamy ihany koa ny fisotroana ireo karazan-javapisotro. Ampiasana siramamy novokarina avokoa izy ireny mba hanomezana tsiro azy. “Miteraka fikorontanana eo amin’ny vatana sy mampirongatra ny homamiadana amin’izao fotoana izao ny fihinanana siramamy be loatra”, hoy ny mpitsabo. Nambaran’ny mpitsabo hatrany fa tena anisan’ny sakafo tian’ny homamiadana ny siramamy. Mahazo aina kokoa ny homamiadana ao amin’ny vatana, noho izany, satria mikorontana ny sela ao anatiny. Ilaina fehezina ihany koa ny fihinanana siramamy raha toa ka tsy maintsy mihinana izany ny olona iray.
Siramamy 25 g isan’andro no tsara ho an’ny vatana
Latsaky ny 10% amin’ny sakafo ny siramamy tokony hohanin’ny olombelona iray, isan’andro, raha ny fanambarana nataon’ny Organisation mondiale de la santé (OMS). Manodidina ny 5% na 25 g isan’andro no tena tsara indrindra ho an’ny vatana, raha ny nambaran’izy ireo hatrany.
Raha ny zava-misy, mahalany siramamy hatramin’ny 140 g isan’andro ny olona iray, maneran-tany, indrindra ho an’ny firenena andalam-pandrosoana, raha ny fanadihadiana nivoaka farany.
187,9 tapitrisa taonina ny siramamy
Mamokatra siramamy manodidina ny 187,9 tapitrisa taonina ny firenena rehetra manerana an’izao tontolo izao nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2024, raha ny antontanisa navoakan’ny Statista Research Department. Raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana, firenena mamokatra siramamy manana ny laharana voalohany indrindra i Brésil, mahatratra hatramin’ny 455 291 taonina. Laharana faharoa i Inde, manodidina ny 281 170 taonina izany. Laharana fahatelo i Chine, manodidina ny 100 684 taonina. Laharana fahefatra i Mexique, manodidina ny 50 597 taonina ny vokatra vokariny.
Ilana fampiasana vatana
Ilaina ny fanaovana fanatanjahantena mba hahafahana mandrindra ny fiasan’ny vatana. Tokony hanana antsasakadiny hatramin’ny adiny iray isan’andro ny olona iray hampiasam-batana sy hanaovana fanatanjahantena ary averimberina izany ao anatin’ny herinandro. Betsaka ny aretina azo sorohina amin’ny fanaovana izany, hoy ny mpitsabo. Anisany mampitony ny fiakaran’ny tosidra, mampihena ny trangana diabeta eo amin’ny olona iray ihany koa ny fanaovana azy io. Miangona fotsiny ao anatin’ny vatan’olombelona ny siramamy rehefa tsy miasa ny vatana. Antony iray mahatonga ny fikorontanan’ny sela rehetra izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Mila kolokoloina, noho izany, ny vatana mba hahafahana mahazo vatana salama sy tomady.
Nanatontosa : Mino