Samy any an-tampony samy reraka ! tsy nifanaraka teo am-pizarana ny remby ireto mpangalatra vary. Vokany, noesorin’ny namany ny voamaso sy ny filahian’ny iray tamin’izy ireo.
Samy nangala-bary, nifandramatra ary nifamono ho faty ny andiana malaso, tao amin’ny fokontany Maherinteny, kaominina Efatsy, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Vao mangirandratsy handeha hanara-maso ny voliny, akory ny hatairan’ny tompon-tanimbary tao amin’io tanàna io nahita fatin-dehilahy iray efa nihosin-drà.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary, nangalatra vary teo amin’ny manodidina niaraka tamin’ny namany io lehilahy io.
Rehefa azo anefa ny vary, nifamaly ireo samy dahalo. «Samy namoaka ny antsy teny aminy izy ireo ary nifamely tamin’izany», hoy ny loharanom-baovao. Tsy nahatohitra ireo namany ity dahalo iray. Raikitra ny fifanindromana tamin’ny zava-maranitra. Rehefa lavo ity dahalo ity, tsy nihambahamba ireo namany nanala ny voamasony tamin’ny antsy. Tsy vitan’izay, mbola notapahin’ireo olon-dratsy namany koa ny filahiany. Maty tsy tra-drano ary tavela teo amin’io tanimbarin’olona io izy.
Tavela ny fitaovam-pangalarana
Vary maniry eny an-tanimboly mihitsy no angalarin’ireo dahalo ho an’ity tao Maherinteny ity. «Potipotika avokoa ny tahom-bary nanaovan’ireo mpangalatra azy», hoy ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ ny vondron-tobim-paritra Farafangana. Mitondra antsy sy fitaovana hafa asiana ny vokatra izy ireo ka mifarimbona mandraoka ny volin’olona iray anatin’ny alina. Manoloana io, an-dalam-pikarohana ireo nahavanon-doza ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana amin’ izao fotoana. Nataon’ny mpitsabo fizahana kosa ny vatana mangatsiakan’ilay dahalo namoy ny ainy talohan’ny nanolorana azy ny fokonolona.
Tsiferana Randriatiana