Fanafihan-jiolahy: raim-pianakaviana maty niboraka tsinay

Maty voatifitry ny jiolahy roa lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Maha­tsinjo, kaominina ambanivohitra Ranotsara avaratra, ny alin’ny 25 hifoha 26 de­sambtra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ao an-toerana ireo jiolahy. Nandondona ny varavarana, tsy namaha ny tompon-trano. Nanakana sady niaro ny vadiny tamin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana tao amin’io tokantrano io. Kinanjo, notifirin’ny iray tamin’ireo jiolahy teo amin’ ny kibony avy hatrany. Tetsy ankilany, nahita ity vadiny voatifitra, nikiry hi­aro azy ilay ramatoa.
Mbola notifirin’ny jiolahy basy koa ity farany ka voa teo amin’ ny tanany. Nirifatra nandositra ireo olon-dratsy taorian’ ny fanafihana.
Raiki-tahotra ireo zaza

Nahita ireo ray aman-dreniny niharan’ny habibiana, tsy nisy nihetsika noho ny tahotra ireo zaza telo, zanak’izy mivady voaroba. Tonga nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana taorian’ny tranga. Tsy tana intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly ao Ihosy kosa ilay ramatoa vadiny. Noraisan’ny tom­pon’andraikitra an-tanana ireo zaza vokatry ny rarin-tsaina nahazo azy ireo. Mikaroka ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Marihina fa tsy nisy entana sarobidy lasan’ireo olon-dratsy nandritra ity fandrobana niharo vono olona ity.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: