Nandray fanapahan-kevitra mahakasika ireo vokatra ratsy azon’i Madagasikara, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena ara-panatanjahantena, ny minisitra mpiahy, Abdoulah Marson Moustapha, omaly, teny Mahamasina. Voaresaka tao indrindra ny baolina kitra.
Nampahafatarina, omaly, tetsy Mahamasina, ny fiaraha-miasan’i Marôc sy i Madagasikara, mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra eto an-toerana. Nambaran’i Abdulah Marson Moustapha, minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) fa betsaka ny lesoka ka tokony harenina taorian’ireny vokatra azon’ ny Barea nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can Marôc 2025” ireny. Nitadiavan’ny firenena roa tonta vahaolana izany. Misy ny tetikasa lavitra ezaka sy fohy ezaka. Anisan’ izany, ny hisian’ny fampiofanana ireo mpanazatra sy ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona sy ny ligy ary ny klioba, any amin’ny Centre d’Excellence Mohamed V atsy Marôc. Hanomboka ny 1 novambra ho avy izao ary haharitra 15 andro eo ny fiofanana.
Ankoatra izay, misy ihany koa ny fandefasana ireo Malagasy mpitsabo ara-panatanjahantena any amin’ity firenena magrebianina ity, hiofana mandritra ny telo volana. Tsara ny mampahafantatra fa hiantohan’ny fanjakana maraokanina avokoa ny fandaniana amin’izany.
Marihina fa efa nisy fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia teo amin’i Madagasikara sy i Maroc, ny volana novambra 2016 izay mila hamafisina. Eo koa ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Qatar sy i Frantsa.
Kianja Barea
Mialoha ny hiantsoana ireo mpanaramason’ny kianja avy amin’ny Caf, hisy manam-pahaizana efatra avy atsy Marôc, hijery ny kianja Barea Mahamasina. Natao izany mba hahazoan’io kianja io fankatoavana ka hahafahan’ny Malagasy miaina mivantana indray ny lalaon’ny Barea eto an-toerana.
Hiezaka ihany koa ny fanjakana, ny hanamboatra kianja manara-penitra izay mahazaka olona miisa iray alina, any amin’ny faritra. Tanjona amin’izany, ny mba hahafahan’ny Malagasy mandray fifanintsanana iraisam-pirenena, toy ny Can sokajy zandriny U-17, U-20 sy U-23. Tsiahivina fa hisy ihany koa ny fanamboarana ireo kianja hafa, izay hatao fanazarantena.
“Tsy rariny ny nataon’ireo mpitsara”
Efa mandeha any amin’ny Caf any moa ny fitoriana nataon’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mahakasika ilay lalao nihaonan’i Madagasikara sy i Gambie, nandritra ny andro fahatelon’ny ady tapakilan’ny “Can Marôc 2025”. “Tsy rariny ny nataon’ireo mpitsara tamin’io fifanandrinan’ny roa tonta io, ary nahita izany avokoa ireo 80 % ny mpitantana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina”.
Notsiahivin’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha, izay tao amin’ny Caf teo aloha, fa tokony handresy amin’
ny isa mazava 2 no ho 1 ny Barea de Madagascar. “Raha efa nilaza ny mpitsara afovoany fa nahatafiditra baolina ny Barea, tokony tsy hisy intsony ny fivadihan-kevitra amin’ireny fifanintsanana tsy misy fitsarana amin’ny horonantsary na ny Var ireny”, hoy ihany ny minisitra.
Izay mendrika no miaro ny voninahi-pirenena
Ankoatra ny baolina kitra, noresahina tao ihany koa ireo taranja ara-panatanjahatena hafa toy ny Karate, ny Rugby, ny Judo…Entitra tanteraka ny minisitra manomboka izao, ka manao antso avo amin’ireo tale teknika nasionalin’ny federasiona 46 rehetra eto Madagasikara, mba handefa atleta tena sangany sy mendrika any amin’ireny fifaninanana iraisam-pirenena ireny. “Aoka tsy hisy intsony ny fitenenana fa ireo olona fantatra sy manana rohim-pihavanana amin’ny mpitantana no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ireny fifanintsanana any ivelany ireny”, hoy ny nambaran’ny minisitra MJS.
Omena fankasitrahana ireo atleta fahiny
Manao antso avo amin’ireo federasiona rehetra eto Madagasikara, ny minisitera mba handefa ny anaran’
ireo atleta malagasy niaro ny voninahi-pirenena fahiny rehetra amin’izy ireo. « Mampalahelo tokoa ireo mpilalao fahiny raha nodimandry izy vao iarahana mahalala, ka tokony homena azy ireo ny valin-kasasarany fony izy mbola velona izao », hoy ny mpitantana ny Fanatanjahantena malagasy, omaly, teny Mahamasina ihany. Hisy ny fanamboarana karatra ho azy ireo mba hahafahan’izy ireo misitraka ny toerana sahaza azy amin’ireo taranja izay nisongadinany.
Nanatontosa : Fitia Randria