Fifanakalozana ara-barotra : nankatoavin’i Madagasikara ny fifanarahana Zlecaf

Hitondra tombontsoa ho an’ny mpandraharaha sy hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra ary ny toekarem-pirenena ny fankatoavan’i Madagasikara ny Zlecaf.

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia, ny fankatoavana ny fifanarahana fametrahana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (Zlecaf). Tanjona ny hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona afrikanina. Hofoa­nana ihany koa ny sakana amin’ny saran’ny entana, mankany amin’ny fananganana ny Vondrona ara-toekarena afrikanina. Anisan’ireo nankatoa izao fanapahan-kevitra izao koa ny sehatra tsy miankina, anisan’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina izay voakasika voalohany amin’ny fidirana ao anatin’ny Zlecaf. « Dingana lehibe ho an’i Madagasikara ny fankatoavana ny fifanarahana ho an’ny tombontsoan’ny firenena, fa indrindra ho an’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana eo amin’ireo firenena afrikanina », hoy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). Na izany aza, mbola haroso eny anivon’ny Antenimiera roa tonta io volavolan-dalàna io mialoha ny hankatoavana azy. Tanjona ny hampitomboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena afrikanina, izay 15 % ho lasa 52,3 % amin’ny taona 2025.

Fepetra
Ilaina ny manaraka ny fepetra takin’ny tsena mialoha ny hidirana ao amin’ny Zlecaf. Voalaza ao anatin’izany ny fahafantarana ireo tombontsoa azon’ireo mpisehatra samihafa. « Antenaina fa hampiroborobo ny fanondran’entana sy ny varo-draharaha ary ny fampiasam-bola ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Zlecaf », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, nandritra ny fakan-kevitra ho an’ny famolavolana ny paikadin’ny Zlecaf.

Henintsoa Hani

Partager sur: