Nanome toromarika ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny hanarenana haingana ireo lalana tena ratsy eto Madagasikara. Nidina ifotony avy hatrany ny teknisiana, ka anisan’ny efa manomboka ny fanamboarana ny toerana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro (RN 11A). Anisan’izany ny eo amin’ny PK 53 sy ny PK 138. Maika ny fanatanterahana ny asa, satria toerana mamokatra ao anatin’ny faritra Atsinanana ny any Vatomandry sy Mahanoro, indrindra ny voly fanondrana.
Hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny fahavitan’ny lalana, sady ho avy rahateo ny fotoam-pahavaratra. Ao anatin’ny fotoana fiomanana hiatrehana ny taom-piotazana letisia, ankehitriny, ny tantsaha mpamboly, ny mpanangom-bokatra ary ny orinasa sy mpandraharaha manondrana any ivelany.
Mirefy 85 km ny lalana Vatomandry – Mahanoro. Tamin’ny taona 2020 no nisy fanarenana farany, nefa dia simba sahady. Manatanteraka ny asa fanamboarana, amin’izao fotoana izao, ny orinasa Magic. Manara-maso ny asa kosa ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy, DRTP Atsinanana. Mandalo amin’ny RN 11A ny vokatra sy entana avy any Toamasina na Antananarivo, mankany amin’ny distrikan’i Nosy Varika ary tonga hatrany Mananjary. Mampihena ny saran-dalana sy ny vidin’entana ilaina andavanandro ny fahatsaran’ny lalana.
Njaka A.