VAOVAO TAMBATRA

Nizarana karatra maha mpamokatra ny tantsaha any Ihosy, any amin’ny faritra Ihorombe, ny alakamisy teo. Natolotra tamin’io fotoana io koa ny taratasy maha mpamokatra masomboly matihanina ny tantsaha any Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Teo koa ny fampisehoana ny fampiasana ny milina fanetsana enti-tanana, novokarin’ny tetikasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.

Dinihina any Bruxelles ny fampiharana ny lalan’ny OMC, manoloana ny fihazakazaky ny varotra elektronika maneran-tany. Ao anatin’izany ny fomba maro ividianana entana avy any ivelany, tsy ampiasana lelavola « crypto money ». Karohina ny vahaolana eken’ny rehetra ka hampiharin’ny firenena maneran-tany. Mandray anjara any an-toerana ny lehiben’ny sampandraharahan’ny vidiny sy ny fiavian’ny entana ao amin’ny ladoany malagasy.

Manodidina ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hanamafisana ny famokarana herinaratra eto Antananarivo ataon’ny orinasa Cambridge Industries. Tanjona ny hamokatra herinaratra 50 MGW ka azo avy amin’ny fanodinana ny fako ao Andralanitra ny 30MGW raha azo amin’ny toeram-pamokarana angovo avy amin’ny masoandro ny 20 MGW. Mikendry hanangona fako hatramin’ny 1 500 taonina isan’andro, eto Antananarivo, ny orinasa hanatanterahany ny tetikasa.

Partager sur: