Sehatra iray anisan’ny manana ny maha izy azy sy tena tokony hanana ny toerany ny fambolem-bary eto Madagasikara. Somary ahitana lesoka anefa izany ankehitriny, noho ny antony maro.
Profesora Randriamiarintsoa Tsimba, manam-pahaizana sy nandalina manokana mahakasika ny fambolena, indrindra ny fambolem-bary. Ankoatra izay, mpanolotsaina manokan’ny tetikasa «SRI 2030», izay tetikasan’ny Oxford University ihany koa izy. Anisan’ny tena nahafantaran’ny maro sy nampalaza azy ny «Systéme de riziculture intensif» (SRI). Araka ny nambaran’ny profesora Randriamiarintsoa Tsimba, voka-pikarohana teto Madagasikara no niaingan’ny SRI na ny voly varimaroanaka. Ankehitriny, firenena miisa 65 maneran-tany no mampiasa azy ity. Velakevitra iray tao Cambodge Chine, ny taona 2002, no nanambaran’i Yuan Longping, teratany Sinoa manam-pahaizana momba ny fambolena ary nahita sy namorona ny fomba fambolem-bary safiotra (Riz Hybride), fa ny voly varimaroanaka no fomba fambolem-bary tsara indrindra maneran-tany.
Mahatratra hatramin’ny 28 taonina isaky ny hekitara ny voka-bary amin’ny fampiharana ity teknika ity. 28 taonina isaky ny hekitara, zava-bita tsara indridra maneran-tany. Malagasy mpamboly ao Tsaratanàna, mampiasa ny fomba fambolena voly varimaroanaka, no nahazo izany voka-bary izany. Marihina fa 20 taonina isaky ny hekitara ny voka-bary tsara indrindra ho an’ny Sinoa mpamboly mampiasa ny fomba fambolem-bary safiotra ao Cambodge.
Mila miverina amin’ny fambolem-bary
Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary. Efa manomboka mikorosofahana anefa izany ankehitriny ary maro ny Malagasy no tsy mahavidy izany foto-tsakafony izany intsony noho ny alafony. Halafosana izay vokatry ny tsy fahafehezana ny fambolem-bary. “Mila miverina sy mifantoka amin’ny fambolem-bary isika”, hoy ny profesora Randriamiarintsoa Tsimba. Afaka iveloman’ny mpamboly sy miantoka ny famatsiana ny firenena iray manontolo ny fahombiazana amin’ny fambolem-bary. Araka ny nambaran’ity Malagasy manam-pahaizana momba ny fambolem-bary ity, anisan’ny tokony ho fantatry ny mpamboly ny fivoaran’ny zana-bary sy ny filany mandritra izany. Fotoan-dehibe ho an’ny voly vary ny fitsiriny sy ny famoahany ny tahom-bary ary ny famoahany ny voam-bary. Ilaina ihany koa, araka izany, ny fandrindrana ny sakafony ao anatin’ireo fotoana ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny zezika sy ny rano ary ny masoandro. “Tokony ho fantatry ny mpamboly fa rehefa mamoa ny vary vao mila ranobe ka tokony hatao mifandimby ny maina sy ny rano alohan’izay”, hoy ny profesora Randriamiarintsoa Tsimba. Manomboka eo amin’ny famoahany ny tahom-bary hatrany amin’ny famoahany voam-bary kosa izy no tokony ho tohanana tsara amin’ny alalan’ny sakafo, izany hoe, rano, zezika ary masoandro.
Fantarina ny toetra fototry ny zava-boahary
«Ny fifandraisan’ny volana sy ny tany no mampiakatra ny zava-maniry», hoy ny profesora Randriamiarintsoa Tsimba. Araka ny nambarany ihany, anisan’ny ampianarina sy ampahafantarina ireo mpamboly ny fijerena ny volana rehefa hamboly. Ohatra amin’izany ny tsy fambolena voan-javatra amin’ny maizim-bolana. Eo ihany koa ny fambolena zavatra mamody amin’ny fotoana midim-bolana. Misy ny toetra voajanahary tsy maintsy arahin’ny zavamananaina rehetra ary anisan’izany ny fambolena. Tsy azo ihodivirana izy io ary miantoka ny fahombiazan’ny taom-pambolena ny fanajana azy.
“Ny tanora no afaka mamokatra misimisy kokoa”, hoy ity manampahaizana ity. Izany indrindra no ampiasana amin’ny fomba fambolem-bary voly varimaroanaka. Ireo ketsa tanora no ampiasaina mba hahazoana vokatra betsaka. Ezahina atsatoka dieny mbola tanora ny ketsa fa tsy iandrasana antitra, ahafahany mamokatra be.
Nanatontosa : Lin