Fananantany : mitentina 128 831 000 dolara ny fanatanterahana ny fandaharanasa

Vita soa aman-tsa­ra ny fandaharanasam-pirenena mom­ba ny fananantany, andiany faharoa. Mitentina 128 831 000 dolara izany, izay natolotra ny tomponandraikitra omaly.

Notanterahina omaly, teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Rahara­hambahiny Anosy, ny atrikasa nasionaly nampahafantarana ny fandaharanasa nasionaly momba ny fananantany, an­diany faharoa. Tonga nanatrika izany ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro. Nanokatra ny fotoana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajarina ny tany, niaraka tamin’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Raharahambahiny. Mahakasika sehatrasa dimy ny fandaharanasa nasionalin’ny fananantany vaovao. Ha­haritra enin-taona ny fanatontosana izany. Tanjona ny hanatsara ny sehatry ny fananantany sy ny hametrahana ny fototra amin’ny fampandrosoana maharitra ara-toekarena.
Manova

Ao anatin’ny vanim-potoana fanovana i Madagasikara. Tomponandraikitra amin’izany ny fitondram-panjakana. Mi­tà­na anjara toerana lehibe amin’ny fanatontosana ny vina sy fanamby ny sehatry ny fananantany. Homen-danja amin’ity fandaharanasa nasionaly ity ny fanavaozana ny rafitra momba io sehatra io. Tanjona ny hampihena ny fotoana lany amin’ny fikarakarana antontan-taratasy. Ho lohalaharana ny fanaovana niomerika ny dingana rehetra ilaina mandritra izany. Ho hatsaraina ny fahamarinan-toerana sy ny fahatokisana ny angon-drakitra (données) momba ny tany. Hanamora ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’ny manampahefana isan-tokony izany. Hanampy ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao momba ny fananantany sy hampihena ny mety hisian’ny kolikoly ihany koa izany.
Sahanasa iray lehibe mivoitra koa ny fanafainganana ny fiarovana ny fananantany. Ezahina ny fampitomboana ny isan’ny tany ara-dalàna. Mifanindran-dalana amin’izany ny famerenana ny hetra amin’ny fananantany noho ny fitaovan’ny fanisam-bahoaka. Sahanasa fahatelo ny fifehezana ny fitantanana ny tany an-tanàn-dehibe. Hampihena ny fanorenana tsy ara-dalàna izany, andaniny. Hametraka tanàn-dehibe tsara tantana izany, an-kilany. Sahanasa fahefatra ny fanamorana ny fanomezana tany. Hampitom­boina ny fahazoana tany ho an’ny mponina any ambanivohitra sy ny mpandraharaha. Ho afaka hamokatra bebe kokoa izy ireo amin’izany ka ho mpiantsehatra fototra amin’ny toekaren’i Madagasikara. Sahanasa fahadimy ny fanatsarana ny fitantanana ny tany.

Vola 128 831 000 dolara

Azo tanterahina soa aman-tsara ny fandaharanasa. Miantoka betsaka amin’ny fahatontosan’izany ny fanavaozana ara-teknolojia, ny fampiofanana mitohy, ny fandraisan’anjaran’ireo sehatra maro samihafa, ny fanohanana avy amin’ny mpamatsy vola, ny fitantanana mazava sy mirafitra ary ny fanentanana sy serasera mahomby. Vola mitentina 128 831 000 dolara no vinam-pandaniana amin’ny fanatanterahana ity fandaharanasa nasionalin’ny fananantany ity. Misy ihany koa anefa ireo tranga mety tsy hahatanteraka ity fandaharanasa ity. Anisan’izany ny tsy fananan’ny mpitondra finiavana hanatanteraka azy. Niainga avy amin’ny vahoaka teny ifotony ka hiverina ho an’ny vahoaka ny fandaharanasa vaovao. Ny fahasarotan’ny satan’ny tany sy ny tsy fitovian’ny lalàna, ny tsy fahampian’ny tombana ara-toekarena ary ny tsy fahampian’ny fitantanana ny fanovana no anton’izany.

Nanatontosa : Lin
Sary : Fanou sy Mamiherison

Partager sur: