Aretina mahazo vahana eto Madagasikara ny diabeta, nefa mbola maro ny tsy mahafantatra ny momba azy. Amin’ny ankapobeny, olona maherin’ny 50 na 60 taona ny tena maro voan’ ny aretina. Ankehitriny, efa mahazo ireo olona manodidina ny 30 taona izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Aretina mitaiza na toe-batana miseho amin’ny alalan’ny tahan’ny siramamy be loatra ao amin’ny ra no antsoina hoe diabeta. Fantatra amin’ny anarana hoe: « hyperglycémie ». “Raha ny tokony ho izy, ny siramamy hohanin’ny olona avy amin’ny sakafo dia misy singana glucose antsoina hoe siramamy foana ao anatiny”, hoy ny mpitsabo, Dr Rakotoarivony Manitra, raha nanontaniana. Tsy maninona raha latsaky ny 7% na 6,5% ny tahan’izany, satria mbola azon’ ny voa atao ny manala izany tsikelikely ao amin’ny vatana. Ilaina fitsaboana kosa raha mihoatra io taha io. Misy karazany roa ny diabeta mahazo ny olona, amin’ny ankapobeny. Eo ny sokajy voalohany sy faharoa. Voakasiky ny diabeta sokajy 1 matetika ny zaza, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Misy manimba ny sela mpamokatra insuline ao anatin’ny sarakaty ary miha simba tsikelikely ny taova ny mahatonga azy io. Mahazo ny ankamaroan’ny olona indrindra eto Madagasikara kosa ny diabeta sokajy 2. Matetika tratran’izany ireo olona matavy.
Ny fomba fisehoany
Maro ny fambara ahafantarana fa mety ho voan’ny diabeta ny olona iray. Mipipy lava mety hahatratra indimy eo izany mandritra ny alina. Tsy mahazo aina fa mihareraka andro aman’alina, mangidihidy tsy fantatra ny antony. Mahery misakafo be nefa tsy mitombo mihitsy. Malaina amin’ ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Mety ho menamena manganohano ihany koa ny maso. Rehefa hita sy mahatsikaritra ireo fambara ireo ny olona iray dia tsara manatona mpitsabo avy hatrany. Tsara indrindra ny manao fitiliana ahitana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatan’ilay olona. Anjaran’ny olona ny misafidy raha hanaraka fitsaboana tandrefana izy na hanaraka fitsaboana natoraly. Amin’ny ankapobeny, ny fitsaboana tandrefana miteny foana fa tsy mety sitrana ny diabeta fa mihinana fanafody mandra-pahafaty.
Mety mitarika aretina maro samihafa ny diabeta rehefa tsy voatsabo. Anisan’ny simba voalohany indrindra amin’izany, ny lalandra madinika hatrany amin’ny vaventy indrindra. « Mety hitarika any amin’ny aretin’ny fo, ny aty, ny sarakaty ary mety hisy tsy fahatomombanana avokoa ny vatana rehetra ao anatin’ny vatana rehefa be loatra ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatana”, hoy hatrany Dr Rakotoarivony Manitra. Ankoatra izay, mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy izany.
Siramamy avy amin’ny sakafo no ilaina
Atao ny tsy hisian’ny tahan’ ny siramamy be loatra ao amin’ ny vatana. Anisan’ny singa iray manome hery sy mampihodina ny vatana anefa ny siramamy. Nohamafisin’ny mpitsabo fa ny siramamy mivoaka avy amin’ny sakafo no tena ilain’ny vatana ary tsy dia ilaina loatra ny siramamy miditra mivantana any anaty vatana. Fomba hijerena ny tahan’ny siramamy ho ara-dalàna ao amin’ny vatana. Eo ny fomba fiaina amin’ny alalan’ny fampiasana vatana mandrakariva, indrindra rehefa avy misakafo. Eo ihany koa ny fihinanana sakafo voalanjalanja tsara fa tsy manara-po amin’ny fihinanana ireo sakafo mamy rehetra. Ho an’ireo diabetika rehetra, tsara ny mikarakara ny sakafo ao an-trano fa tsy mividy any ivelany. Ilaina ihany koa ny fitsakoana ela ny sakafo ao am-bava vao manatelina. Rehefa mitsako ela dia mivoaka hoazy ny tsirim-panentana mahavoky antsoina hoe: “leptine”.
Diabeta misy fanantenana
Nisy ny valandresaka mahakasika ny diabeta natao tetsy amin’ny Sainte famille Mahamasina, tamin’iny herinandro iny. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “diabeta misy fanantenana”. Hetsika nokarakarain’ny Nature production. Nitondra ny famelabelaran-kevitra tamin’izany i Zoky Andry mampifaly sy ny Dr Manitra. Tanjona ny hanalefahana ny vesatry ny diabeta eo amin’ny fiainan’ny olona. Eo ihany koa ny fanolorana toromarika sy torohevitra mahasalama kokoa eo amin’ny olona. Nohazaina, nandritra izany koa, fa anisan’ny mahasitrana ny olona diabetika ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny fanafody natoraly.
Mampisy fanantenana eto amin’ny firenena fa efa azo sitranina ny diabeta Type 2 ka antony nanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana voaray. “Toy ny olona voahozona ireo voan’ny diabeta taloha, efa nohamafisin’ny mpitsabo nandritra izany fa tsy maintsy mihinana fanafody mandra-pahafaty ireo olona voan’io aretina io”, hoy i Zoky Andry Mampifaly, raha nanontaniana teny an-toerana. “Isaorana an’Andriamanitra fa efa mivoatra ny lafiny fitsaboana sy ny fikarohana, noho izany, efa betsaka ireo nahita vokatra sy fahasitranana tamin’ny fampiasana akora natoraly”, hoy hatrany izy.
Raha ny zava-misy, zavatra mampalahelo foana ny ao an-tsain’ny olona rehefa misaina ny fitsaboana natoraly. Efa mivoatra izany amin’ny firenena maro ary anisan’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fikarohana mba hanana ny lentany io fitsaboana io, raha ny fanazavany hatrany.