Behoririka : lehilahy iray maty, voaroba ny 130 tapitrisa Ar

Nirefodrefotra ny basy te­tsy Behoririka, omaly. Nana­fi­ka atoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 11 ora teo ny jiolahy roalahy. Vokany, lehilahy iray 32 taona maty voatifitra. Lasan’ireo olon-dratsy ta­min’izany ny vola mitentina 130 tapitrisa Ar. Mpiasa amina “cash point” iray eny an-toerana ity lasibatra. Avy naka vola teny amin’ny banky izy, nandeha moto no efa narahin’ny jiolahy. Nony tonga tetsy Behori­rika, napetrany tsy lavitr’ny mpivarotra amoron-dalana ny moto, navoakany tao anaty “malle” ilay kitapo feno vola. Nanantona azy tampoka ny roalahy, nifampisintoman’ny roa tonta izany.
Nandritra izay, nanapoaka basy ny olon-dratsy. Voa teo amin’ny sandriny ilay “coursier” saingy mbola niezaka naka ilay kitapo hatrany. Tsy nitsitsy azy intsony anefa ireto mpanafika ka nitifitra “Voa teo amin’ny masony izy ka nivoaka tany an-katoka mihitsy ny bala. Maty teo no ho eo ilay lehilahy”, hoy ny fanazavan’ny na­natri-maso. “Nisavoritaka tanteraka ny teto vao nipoaka ny basy. Navela daholo ny entana ary samy nanavotra ny ainy ny rehetra”, hoy ny mpivarotra iray teo an-toerana. Nandritra izay, vehivavy iray sekretera amina tsena ihany koa no tratrin’ny balan’iretsy mpanafika ka voa teo amin’ny sorony.

Tifi-danitra
Minitra vitsy taorian’io, mbola nanapoaka basy indray izy roalahy. Poa-basy intelo teo no re nandritra ny asa ratsiny. Farany, nanao tifi-danitra izy ireo rehefa nitsoaka niakatra nihazo an’i Behoririka, lalan’ny taksibe iny. Ao ireo nilaza fa nandeha tongotra iretsy mpanafika. Loharanom-baovao iray hafa kosa nanambara fa nandeha nirifatra tamin’ny moto izy roalahy nony vita ny nataony.
Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny vata-mangatsiakan’ilay “coursier” raha mitsabo tena ao an-toerana kosa ilay vehivavy naratra. Namela mananon-tena sy zaza iray, vao valo volana monja, ity raim-pianakaviana maty ity. Hatreto tsy mbola misy ny voasambotra momba ny raharaha saingy eo am-pikarohana ireo nahavanon-doza ny polisim-pirenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: