Sôva sy ny vaky sôva: Kolontsaina mitantara sy mitsikera ny fiainam-bahoaka

Mozika sy gadona iray manana ny lanjany eny anivon’ny fiarahamonina ny sôva. Kolontsaina iray manana ny maha izy azy, indrindra eto amin’ny faritra Anala­man­ga izy io. Raha ny zava-misy, vitsy ny ma­hafantatra azy noho ny tsy fahampian’ny hetsika fampahafantarana izany eto amin’ny Nosy.

Mitantara sy miventy an-kira ny fiainam-bahoaka misy sy tsapa amin’ ny endriny tononkalo an-kira sy miady rima ary amin’ny ga­dona mitovy no ataon’ny mpi­angaly sôva. «Karazan-tonon­kalo tsimihety, mitsikera toe-javatra na mitantara toe-javatra iray amin’ny teny mirindra sy miady rima» no atao hoe sôva raha faritana. Amin’ny akapobeny, tena tompon’izy io ny foko Tsimihety sy ny Betsi­mi­saraka Avaratra. Gadona iray mitovy fa tsy sa­hala amin’ ny sôva ihany koa ny vaky sôva. Maro mpanao azy io ny eto amin’ny faritra Analaman­ga. Anisan’izany, ny Hazo mi­doroboka, zanak’ Ampa­ma sy ny maro hafa. Mitsikera ny zava-misy tsy rariny iainan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fitanisana izy io. Mitsikera ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina ny tononkira heno sy voizina ao anatin’ny vaky sôva. “Azo lazaina fa mpanao gazety an-kira mihitsy ny mpi­angaly izany satria mitantara ny zava-misy rehetra”, hoy Ragama, mpamorona sady mpanoratra ao amin’ny tarika Hazo midoroboka, mivoy ny vaky sôva etsy Ambanin’ Ampa­hamarinana, raha na­nontaniana. Misy ny mihevitra fa manao fanonganam-panjakana ankolaka mihitsy izy ireo noho izay fitsikerana sy fitantarana ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina izay. Disoina anefa izany satria mihira ny fiainam-bahoaka izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra izay, voaresaka ao daholo ny fiainan’ny rehetra na resaka fanambadiana, ady mivady, fiainan’ny tanora, ny firenena sy ny maro hafa. Tsy misy kabary na tonom-bavaka ny vaky sôva fa tonga dia mitantara ny zava-misy.

Literatiora ventesina an-kira

Misy hitovizana amin’ny tononkalo ny sôva sy ny vaky sôva raha henoina. Atao an-kira sy arahina zava-maneno ary tehaka madinika kosa izany. Tsy tena hiraina loatra fa arakaraky ny paika sy gado­na ataon’ny mpanorona ny fiventesana azy. Migadona sy mitsatokatsoka ny fiventesana azy eny an-tsehatra amin’ny ankapobeny mba hanome endrika sy hampiainana azy. Matetika mamaly ny mpiventy ny asan’ny vehivavy ao anatin’ny tarika. Arahina lamako sy tehaka madinidinika izany eny anelanelany eny.
«Tsy tena mahazo sehatra loatra ny vaky sôva eto Mada­gasikara ary ezaka ataonay mpisehatra eo amin’io tontolo io ny mampalaza izany araka ny tokony ho izy», hoy hatrany ity mpitarika ny Hazo midoroboka ity. Mangataka ny eo anivon’ny minisitera izy ireo mba hanome sehatra mahakasika io kolontsaina iray io satria hiram-bahoaka izy ireny. Nambarany fa marika iray tsy mampandroso ny firenena sy mahavery ny mponina ao aminy ny tsy fanajana sy tsy fanomezan-danja ny kolontsainy.

Ahitana fehiloha sy sikina

Maro ny zavatra ahalalana fa mivoy ny gadona sy mozika sôva ny tarika iray. Anisan’ izany, ny fitondrana ny fehiloha mena na “bandeau”. Misy dikany ny fanaovana azy iny satria mariky ny tolona sy ny fandresana. Manampy izany koa ny sikina lambahoany ataon’ny rehetra eny ambony sehatra. Midika ny fahavononana hiady sy hanafenana ny pataloha rovitra noho ny tsy fananana ihany koa ny dikan’ny sikina, hoy hatrany izy. Ezahina afenina ao anatin’ireo fitafy ireo ny tsy fitovian’ny saranga tsy mitovy eo amin’ny tsirairay avy izay mpanao vaky sôva na ny Malagasy rehetra mihitsy. Afaka miankanjo na tsia kosa ny amboniny, arakaraka ny tian’ilay tarika, raha ny fanazavana vaoray hatrany.

Fanao amin’ny lanonam-pifaliana

Atao mandritra ny lanonana amin’ny hafaliana ireo kolon­tsaina ireo. Toy ny fitsenana taom-baovao, famadihana, fanambadiana sy ny maro hafa. Ahitana fampitahana sy fitanisana endrika na toetran-javatra na biby izany, amin’ny ankapobeny. Lehilahy efa manana fahaizana manokana sy manana ny maha izy azy eny anivon’ny fiarahamonina ny mpiangaly sôva. Ankoatra izay, tsy atao amin’ny anaran’olo-tokana ny vaky sôva fa atao mitondra anaran-javatra na anaram-biby toy ny masoandro, kintana sy ny maro hafa. Nahi­tana izany avokoa ny isam-pokontany sy isaky ny faritra fahiny. Efa nisy izany, indrindra tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nitsangana taorian’ny fisian’ny hiragasy sy ny vakodrazana izy io, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo mpiangaly izany hatrany. Nanomboka nanao izany voalohany ireo mpiandry omby. Izy ireo no tena nanafana ny lanonana sy fety teny anivon’ny fiarahamonina taloha. Tsy mbola nisy aponga tamin’izany, fa nampiasaina ny tehaka nentina na­naingo ny fihirana.
Ho an’ny tarika Hazo midoroboka manokana, efa inefatra teo izy ireo no nanentana lanonana mariazy tamin’ny alalan’ny vaky sôva. Amin’ny ankapobeny, ny vazaha no tena maka azy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: